|
|
|
|

Entrée1  Mpikororoka ampombo
Mots élémentaires  2  mpikororoka, ampombo
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Rajaobelison Samuël
Texte complet 
6  Milina mpitoto injao migoboka ao,
7  Ampombo be miavosa an-tsisin'ny tamboho;
8  Indro vehivavy hatsatra sy lao
9  Mitondra am-babena zaza miamboho.

10  Rehefa feno ampombo ny gony kely nentiny,
11  Nataony an-doloha, ny masony efa lalina!
12  Hokororohina io sitrany hisy ventiny,
13  Na kely ihany aza hiantoka ny alina!

14  Etsy ambody hazo ny zaza mitomany,
15  Ditsoky ny ampombo ka mangarom-bava;
16  Hontsa ho'aho ilay reny raha mahita izany,
17  Ka mody velon-kira miantsa dridralava

18  Tapaka kapoaka!… lohavary mena!
19  Izay no kororoka namonoana ny andro!
20  Nitsangana Ingory hamonjy ny babena,
21  Dia lasa Ramatoa hanokona nahandro.

Mis à jour le 2024/11/25