|
|
|
|

Entrée1  mpampiankin-teny
Mots élémentaires  2  mpampiankina, teny
Partie du discours  3  locution
Explications en malgache  4  Sokajin-teny entina mampiankina teny fameno amin' ny matoanteny: ohatra: mikapoka amin' ny tehina, miteny amin' ny rainy izy, miresaka momba ny fambolena izy mianaka. Ny amy (amin') sy momba dia teny mpamiankina. Hita amin' ireo ohatra fa samy hafa ny firafitry ny amy sy ny momba, na dia samy mpampiankina aza. Azo zaraina ho antokony roa ny mpampiankina:
-- ao ireo mirafitra toy ny famenon' anarana; toy ireto izany: amy, aloha, aoriana, ambony, ambany, ambadika: amin'ny andro ho avy ~ alohan' ny ririnina ~ ambonin' ny latabatra ~ ambadiky ny fefy ...
-- ao ireo tsy miova tsy mivalovalo; toy ireto izany: araka, arakaraka, tahaka, ohatra, toraka, toa, momba, mandritra, lavitra, noho, afa-tsy, toy: arakaraka ny halehibe ~ tahaka ny vorona ~ momba ny zaza ~ mandritra ny alina ~ lavitra ny fo ~ noho ny fihavanana ...
-- ao ny mandray roa: tandrify, akaiky, izay mirafitra toy irerỳ voalohany raha milaza toerana: tandrifin' ny tsena ~ akaikin' ny sekoly, ary tahaka irero faharoa kosa raha milaza hevitra an' ohatra: tsy tandrify ny haja amam-boninahitrao izany (sahaza) ~ akaiky an-dreninao kokoa ry Rabe noho Rakoto (ara-pihavanana io).
5  sokajinteny [1.1]
Explications en anglais  6  preposition [3.1]
Explications en français  7  préposition [3.1]
Autres orthographes  8  mpampiankina
Tableaux et planches  9  Toutes les prépositions

Mis à jour le 2024/08/16