Explications en malgache |
4 [1.1] Mandrirotra, misarika: Mitari-bato ~ Soavaly mainty sy fotsy no nitarika ny kalesy
Misintona, manintona: Nody nandositra izy mba hitarika ny fahavalo any amin' ny toerana misa velapandrika
Mitondra: Ianao no aoka hitarika ireto vahiny ireto any amin' ny tranom-bahiny? ~ Iza no mitarika ireto mpianatra ireto?
Mitaona: Ikoto no mitarika azy hiloka
Manomboka sady mitantana, manainga, manentana: Mitarika fivavahana, mitari-kira
Mibaiko, mandeha eny anoloana mba hibaiko sy harahin' ny sasany: Mitari-tafika
Mampahazo, mampahita: Mitarika voninahitra ny fahaizana matetika
Mirefarefa: Mitarika ny ziponao fa akaro
|