Explications en malgache | [ mikraoby ] [frantsay microbe] anarana ankapobe iantsoana ireo zavamananaina na zavamaniry kiritika kely, tokantsela, tsy hita raha tsy amin' ny mikraoskaopy, miteraka aretina.
Misy karazany telo ny mikraoby:
1) ny virosy;
2) ny mikraoby zavamaniry, izay mitsinjara vitsivitsy indray, ka anisan' izany ny bakteria (basila, kaoka, vibrio, spiroketa);
3) ny mikraoby bibikely (hematozoera, amiba, tripanozaoma) [1.1]
|
| [ mikraoba ] Anarana ankapobeny iantsoana an' ireo zavamananaina kiritika tsy hita raha tsy amin' ny fanitajery;
miteraka aretina araka ny karazany avy; sokajin' ny tokan-tsela;
misy karazany telo dia ny viriosy sy ny mikraoba zavamaniry izay mbols mitsinjara vitsivitsy
ka anisan' izany ny bakteria (basila, kaoka, vibriôna, spirôketa), ary ny mikraoba bibikely
(hematôzoera, amiba, tripanôzôma). [1.62]
|