Explications en malgache |
4 [1.10#L.354] (tokony ho loh' olona no fanoratana azy nefa efa raikitra mihitsy ny manambatra azy ho teny iray) olona lehibe efa mato-tsaina, tsara toetra eo amin' ny tany ama-monina, mahatoky ary hendry amin' ny fanaovan-draharaha sy amin' ny fitondrana olona, ka to teny sy hajaina eo amin' ny tanàna sy ny fokonolona. Ny tena anjara toerany dia ny mitarika ny fivoriana fiaraha-mihevitra ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pokonolona, ny mandrindra sy mandamina y fifanolanana eo amin' ny fianakaviana na ny mpiray fileovana, ny mitarika ny adidy amana asa fanasoavam-bahoaka, na ny momba ny vola izany na ny asa-tena atao...
5 [1.1] Fitambaran' ireo lehibe mpikarakara (izay atao koa hoe Ray aman-dreny) ao amin' ny fokonolona na fiangonana
6 [1.13] fitambaran'ireo zokiolona to teny eo amin'ny fokonolona
|