|
|
|
|

Entrée1  kalandrie
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  Fanisana andro vahiny izay arahina saiky eran' izao tontolo izao, ary nokendrena hifanaraka amin' ny fihodinan' ny tany manodidina ny masoandro, lalana ataony mandritra ny andro 365 1/4. Ny isa 365 no nozaraina amin' ny volana 12 toy izao: Zanvie (31), Fevrie (28 na 29), Marsa (31), Avrily (30), Mey (31), Jiona (30), Jolay (31), Aogositra (31), Septambra (30), Oktobra (31), Novambra (30), Desambra (31); mba hahamarina tsara ny fifanarahan' ny kalandrie sy ny fandehan' ny masoandro, dia notratrarina ilay fahaverezana ampahefatr' andro (1/4) isan-taona amin' ny fanampiana andro 1 isaky ny efataona ka ny volana Fevrie no niharan' izany, izay ampitondraina 29 andro isaky ny efataona [1.1]
Vocabulaire  4  Temps

Mis à jour le 2020/07/31