|
|
|
|

Entrée1  Indray andro tao Sahabe
Mots élémentaires  2  indray, andro, Sahabe
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Andry Andraina
Texte complet 
6  Loharano kely tsy dia manahoana
7  Mivoaka avy eo am-pototr' i Mandraka,
8  Toa tsy maika, tsy manenjika fotoana,
9  Mihoatra aza, varian-drery, mitanàka ;
10  Roso, kely halalina maharitra,
11  Raha itsakana tsy tafakatra hafe,
12  Loharano ety maso, kely faritra,
13  No manome ny renirano Sahabe.
14  Ny tany bezanozano no vakiny,
15  Lalovany tsy azon' antso i Moramanga,
16  Mianavaratra ny lalana zohiny,
17  Madio, tsy omban-tany, tsy haroin' antsanga.
18  Antsihanaka amin'izy marim-boho
19  No idirany rano efa be velarana,
20  Mandalo andrefan' ny vohitr' Ambaiboho,
21  Any Alaotra ny diany no mifarana.

22  Indray taona izay, tony indrindra ny voary
23  Nanemitra ny renirano Sahabe,
24  Ka ny fotoana, teo, sendra masa-bary,
25  Dia notorian'ny feo tetsy sy teroa re :
26  Ao ny siokan’ny salohy navesa-boa
27  Nafafin'ny onja tokam-bolo tazana,
28  Ny kiakiakan’ny fody, mba nanako koa,
29  Nampiloatra ny hafalian-tsy ahombiazana ;
30  Ao ny kotaban'ny gisa, kanakana.
31  Nitobahan-tsakafo, toa nilanona,
32  Ny omby nimà, manim-bala na kijana,
33  Nefa voatery hiasa tsy an-kijanona ;
34  Ao ny olona, nangina dia tanteraka,
35  Nijinja, variana, nanadino trano,
36  Na nitaona, nitety, kaoka, reraka.
37  Ny tetezan-kazo nitatao ny rano.

38  Io no tetezana, foana arofanina,
39  Angamba efapolo metatra halava,
40  Hamitana zavatra iray nomanina,
41  Zavatra tsy mora tantarain’ ny vava.
42  Tamin' izany, nisy fihetseham-baovao
43  Nanova ny tontolo tony ranoray ;
44  Sahabe aza, gaga ireo mananaina teo,
45  Ka taitra ny trondro, zendana ny voay.
46  Avy andrefana, avy atsinanana,
47  Tamy, andia roa lavitra ny ho faly,
48  Nasesin’ny olona ombam-basy an-tanana,
49  Vazaha sy miaramila soanagaly.
50  Tantsaha nisy zato lahy mahery,
51  Nitafy soga, jiafotsy, sikim-bory
52  Samy naradratra, nisoliti-pery,
53  No teo, indreo, nampihaonina, navory.

54  Ny atsinanana no natao hisantatra
55  -- Folo lahy sina, tsy nandrenesam-peo --
56  Ny anton-draharaha tsy mbola fantatra,
57  Anton' ny niaviana, nifamoriana teo.
58  Ireo folo lahy aloha voavaka
59  Dia nandroso nitsaotsaoka toa hisaotra ;
60  Nampijoroina, toa amoron-davaka,
61  Teo an-tetezana nanitsy an' Alaotra.
62  Nalahatra tsara niamboho rano ireo ;
63  Nasiany sarona ny tapany ambony
64  Araka ny baiko azony teo no ho eo,
65  Dia sarona efa nivatsiany, gony.
66  Soanagaly mpampanjaka horohoro,
67  Folo koa, vonona amin-tifitra rere,
68  Nikendry anoloana, niandry ny hoe : “Doro” !
69  No hampidaboka ireo any Sahabe.

70  Mova tsy nitana aina ny tontolo
71  Nanaraka ny fiomanana rehetra,
72  Fa nony ny folo novonoin' ny folo
73  Ny fiandrasana niova ho hararetra.
74  Ny rivotra re ho nihovitrovitra,
75  Ny habakabaka toa hikoa, hikoro,
76  Ny vohon-tany zary triatra, rovitra,
77  Ny velona niampify, nihorohoro.
78  Fa ny famonoana nitohy ihany ;
79  Nangalana ny ankilany sy andaniny,
80  Dia nasesy samy tsifolofolo hatrany ;
81  Ny tonia, tsy nisy iray nodinganiny.
82  Maty hena ireo niandry izay anjarany,
83  Indrindra ny efa akaiky hampandrosoina ;
84  Ny tifitra raha ny nitsaharany
85  Dia nony tsy nisy koa ny hovonoina.

86  Gaga ny trondro, talanjona ny voay,
87  Toy ireo nahita tsy fahita ihany ;
88  Fa, taorian'ny riatra sy daonan-drano iray,
89  Izy koa nivadika aina lozan-tany.
90  -- Nahavita hadisoana angaha, hono,
91  Hoy ny fony iray nilaza ny mba reny,
92  Ireo zary olon-dia nampiharim-bono,
93  Toa hoe tsy lefitra ny hadisoam-beny !
94  -- Nangalatra sy namaky trano ireo ve,
95  Hoy ny foza, sa koa nahafaka aina ?
96  -- Tsia, hoy ny mpilaza, nandà ny lehibe
97  No helok'ireo, nalaina hoziogaina !
98  -- Ratsy izany ve ? hoy ny toho keliray,
99  Raha mba mitraka dia hafoy ny aina ?
100  -- Mahadiso kosa izany, hoy ny voay.
101  Nadinika no hiseho ho be saina !

102  Fa ny nampandroso ny folo isan' ila
103  Dia Vazaha tarehin' ny maika lava,
104  Hafa tsy tahaka ireto miaramila
105  Fa be rebareba sy volombava.
106  Izy no nandahatra eo avaratra,
107  Nibaiko, morainy edrey nila tsy ho re,
108  Nitso-drano ireo hitselaram-baratra
109  Amin' ny vokovoko marika faobe.
110  -- Olo-masina iny, hoy ilay mpilaza,
111  Manao an-tratra ny andraikitra niantsoana,
112  Manadio amin'ny ratsy tsy sahaza
113  Ireto efa diso imbetsaka miantoana.
114  -- Izay, hoy ny voay feno fahendrena,
115  Sady hadisoana no koa fahotana
116  No nataon' ireo ninia namono tena ;
117  Soa fa misy tsy leo, tsy sasa-piatrana !

118  Roapolo taona mihoatra aty aoriana,
119  Gaga ny trondro, talanjona ny voay,
120  Indrindra ireo zaza tsy ela nahariana,
121  Fa i Sahabe toa mihamarivo indraindray.
122  Rahefa ririnnina andro,masa-bary,
123  Ka ny tsindretra mandositra tandroho,
124  No ahatsapana izany mirahihary
125  Manaraka ny tetezan' Ambaiboho.
126  Ny renirano hatrizay tsy rototra
127  Dia eo vao mainka indray toa miroanahana,
128  Ny lalany, ohatra ny ho tototra,
129  No miseho ho sakana mibahana.
130  Fa mievotra, akaiky hanangasanga,
131  Misy tohitra koriana tsy hisosa,
132  Tazana noho ny tsi-fisian' antsanga
133  Taolam-potsy manao antonta miavosa.

134  Nony natao ve ny tetezan-kazo teo,
135  Sy nasiana lalam-by ho an'ny kraomita,
136  Nokaohina hiala ireo taolam-potsy ireo,
137  Noho ny famboaram-be tsy maintsy vita.
138  Teo ny trondro sy ny voay vao niaina,
139  Vita ny sakantsakana tambalana,
140  Tsaroany ho nisy hidy novohaina,
141  Na rano na izy samy mora lalana.
142  Ny hiangaviako anao izao mamaky ahy
143  Dia tsy hanaiky hamoy aina sanatria,
144  Na ho faty ray, iray tam-po, zaodahy,
145  Fa hisaina ireo natao sorona iray dia.
146  Raha mitraka ianao ankehitriny,
147  Sao dia antony mba niavian' izany re,
148  Toy ny rehetra naringana fahiny,
149  Ireo ripaka indray andro tao Sahabe ?

Mis à jour le 2024/12/10