|
|
|
|

Entrée1  Ilay reny tsy miteny
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Eliza Freda
Texte complet 
5  Ao ambany
6  Dongon-tany,
7  Ao anaty
8  Vatam-paty,
9  Misy Reny
10  Tsy miteny
11  Hatry ny ela
12  No tavela ...

13  Reny tiana
14  Nitosiana
15  'Lay nitondra
16  Fo diamondra!
17  Fo malala
18  Tsy mba niala;
19  Niara-paly
20  Sy nijaly!

21  Fony izaho
22  Maitso taho,
23  Raozin'aina
24  Nolalaina ...
25  Fony mbola
26  Niangola,
27  Nisakafo
28  Safosafo!

29  Tambitamby
30  Manana amby;
31  Rotsirotsy
32  Volafotsy;
33  Mamikely
34  Toa tantely:
35  Samy vita.
36  Samy hita ...

37  Ndrisy anefa.
38  Fa nilefa ...
39  Nofy ihany
40  Mantsy izany;
41  Torotoro
42  'Lay nijoro!
43  Voninkazo
44  Ka nandazo!
45  Taolambalo
46  Mampimalo
47  No mba sisa
48  Voatanisa ...
49  Hodi-tava
50  Ravarava
51  No mba hany
52  Tratra tany ...

53  Very toky
54  'Zao ny zoky!
55  Folaka andry
56  'Reto zandry,
57  Diso angoty
58  Fa kamboty!
59  Vao maraina
60  Dia nangaina!

61  Eny ho eny,
62  Misy reny;
63  Toa tsy hafa
64  Raha mitafa;
65  Hoatra an'iny
66  'Lay fahiny,
67  Saingy ts'izy!
68  Dray! rankizy.

69  'Zany foko
70  Mitoloko ...
71  Feno loatra
72  Ka mandroatra;
73  Manin-dreny
74  Mba hiteny,
75  Manontany
76  'Zay nombany.

77  Hono lahy,
78  Ry fanahy:
79  Mba tsinjovy
80  Ka tsarovy;
81  Aiza ho aiza
82  'Lay nitaiza?
83  Aiza indrindra
84  No nifindra?
85  Fa maniry
86  Te-hikiry
87  'Tony saina
88  Noratraina ...
89  N'aiza tany
90  Niantefany,
91  Any aho
92  No apetraho!

93  O! ry Neny,
94  'Zao no teny,
95  Ka raiketo
96  Farany eto:
97  'Zaho akory
98  Tsy ho ory,
99  Mana-mpiahy
100  Sy mpitahy!

101  'Lay modely
102  Fahakely,
103  Tsy mba foana
104  Fa tsaroana!
105  'Reo anjara
106  Voatantara
107  Sarobidy
108  Ka tadidy!

109  Tsy mba vola
110  Mora tola
111  No sahaza
112  Ho an-jaza;
113  Fahendrena
114  'Zay nomena,
115  Io no lova
116  Tsy mba miova !

Mis à jour le 2024/11/25