|
|
|
|

Entrée1  Ilay ony
Mots élémentaires  2  ilay, ony
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Rafanoharana
Texte complet 
6  Variana ny masoko, gaga ny saiko,
7  Mahita'ty ony mandalo tanàna:
8  Milamim-pisosa toa efa voabaiko,
9  Manatona ihany an'ilay fiafarana.
10  Ny onja madinika, indreny misangy,
11  Toa ondry aman'osy mifalihavanja;
12  Ny roatra tsy rototra, toa mampitamby
13  Mirona malako fa mana-mpilanja.

14  Ilaozako anefa'lay toerako teo,
15  'Ty ony malaza arahiko an-kiry:
16  Injany any erà ô! henoko feo,
17  Dia feo mahatahotra, feo makadiry!
18  Tsy ela dia hitako eo anoloako.
19  'Ty riana mianjera tsy roa aman-tany;
20  Ny rano mifafy hatreo am-pijoroako,
21  mamorona avana kanto aoka izany!

22  Miorika ihany hatrany hatrany,
23  Tsy miato ny diako manaraka ny ony
24  Satria te-hahita izay fiandohany,
25  'Zay hoe hainandro tsy tsapako intsony,
26  Dia iny'lay ony mihena, mihena,
27  Mihena miandalana sy mihakely;
28  Tanety vakiny - endre! raha jerena,
29  Fa mavana, maitso, toa " sahan'anjely " .
30  Ny omby aman'ondry darofan'ny andro,
31  Indreo fa misotro, mimà dia mitraka;
32  Ny ankizy mpiandry, mafana ka mandro
33  (Ireo tsy mba sahy mikatroka daka)
34  Mihena tsy hitan'ny masoko intsony
35  Fa lasa misitrika anatin'ny ampanga:
36  Endrey! zary tatatra manko ilay ony,
37  Dia tatatra kely toa mena-mitranga !

38  Dia hitako farany'lay loharano
39  Miboika dia miboika ambanin'ny vato;
40  Ny vato mivoaka eo manganohano;
41  Miboika dia lasa, mandeha tsy miato.
42  Indreny ny vorona, ireo voron'ala,
43  Misotro, variana, dia miara-mikalo
44  Miadam-pinaritra, tsy salasala,
45  Fa lavi-mpanenjika sy fahavalo.

46  Mandeha ny saiko mihevitra izany:
47  Nahoana aho re no kivy mazàna?
48  'Lay ony kanefa he'ty fiandohany
49  Mba kely ny bitika saro-jahana.
50  Ry foko, mionona ka aza tomany;
51  Raha toa mavomavo tsy fantatra akory,
52  lanaro ny ony, mitombo hatrany;
53  Ho resy miandalana ny andro mahory!

Mis à jour le 2024/11/25