|
|
|
|

Entrée1  Ilay dobo
Mots élémentaires  2  ilay, dobo
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Razafintsalama Josefa
Texte complet 
6  Ny dobo kelinay moa ka soa dia soa tokoa:
7  ny morony tontolo, zozoro manga taho;
8  anivony, tatamo mivela-bony soa;
9  ny tsara sy ny meva samy eo no mifamaho

10  He! dobo tsara rano, tiam-borona hisosana;
11  ny arosy vory sanga, tonga eo hisahosaho;
12  tsiriry sy angaka mankeo mba hikorana;
13  vivy no miria eo fa miery tsimilaho.
14  He! dobo tsara loatra, mamelombelona aina,

15  fa laokan-drano maro no ao mihahohaho:
16  amalona sy trondro, mangata-koalaina;
17  ny patsa dia mihaika ny tanan-tsy mivaho;

18  tsindrahaka mitady izay olona mpitia;
19  irony ondrindrano, antsirina aman-toho
20  mpahery mitsoriaka sy fatra-piriaria
21  dia haza mora alaina, tsihifina an-tandroho.

22  lo dobo kely iroana, ka soa dia soa tokoa;
23  ny rano e dia tsara ka manga ny zozoro;
24  ny vonitsiazonafo, dia manga mena soa;
25  miharo eo ny tsara sy ny meva ka manoro.

Anagrammes  26  abolidio, Ilay dobo

Mis à jour le 2024/11/25