Explications en malgache |
4 [1.1] Fanarenana zavatra amin' ny haavony: Tsy sarotra akory ny fananganana io sarivongana nianjera io
Fampijoroana: Tsy mora velively ny fananganan-trano, indrindra amin' izao andro izao
Fametrahana zavatra amin' ny toerana avo mba hahitana azy: Alohan' ny fidirana no fananganana ny saino
Filazana olona eo anatrehan' ny fanjakana, na ny fokonolona taloha, ho toy ny zanaka maharo mandova: Zava-dehibe amin' ny Malagasy ny fananganan-jaza. (Ny fananganan-jaza taloha dia nandoavana ny hasin' andriana sy ny orimbaton' ny fokonolona, izay vavolombelona afaka manamarina ny fananganana noho izy nanatri-maso; ankehitriny ny fananganan-jaza dia soratana amin' ny bokimpanjakana eo anatrehan' ny vavolombelona)
|