Texte |
Mba mahafinaritra ahy ny mahita dona-tsetroka
Mihoatra tafon-trano, maraina vao mifoha,
Setroka botsiaka fa tsy mba mainty ngetroka ,
Malefaka fibohaka … toy ny vohavoha.
Toa azoko vinany ety ivelan-drindrina
Fa misy olona ao… mahandro tohan'aina.
Ny varavarankeliny mbola indreo mirindrina
Anefa toa azo sary ny fikenony maraina.
Ho tiako harahi-maso ny sampana adidiny
Ao an-tokantranony, ny lanjany amam-bidiny,
Saingy voafefy ny saiko tsy hahatakatra…
Ilay dona-tsetroka no nety mba harahiko
Hampombaiko vavaka avy ato amin'ny fanahiko
Hisidina izy anie! Hiakatra ka hiakatra...
|
|