hihahenjana.
Fa ny efa maty ela rehetra dia any an-danitra misy an’Andriamanitra no mitoetra.
Arak’izany dia mizara roa ny tany heveriny halehan’ny maty, dia ao Amboromena sy any an-danitra.
Io tany Amboromena io dia ao avaratra atsinanan’Ivohibe hodidinin’ny tendrombohitra.
Ny Bara any andrefana anefa dia manondro tany sy ala maromaro izay heveriny ho misy ireo efa maty, nefa ity Amboromena ity no maro mpanantena.
Na dia any Amboromena sy any an-danitra aza izy ireo dia mamangy sy mijery ny fasana ilevenany hono ka raha tsy manan-damba ireo taolany ireo na misy zavatra hafa manahirana azy, dia milaza amin'ny havany velona izy fa tsy manan-damba, na tsy tsara loatra ny fasana misy azy ka tokony hamboarina.