| Entrée (1/3) | 1 volan-tsinana |
| Mots élémentaires | 2 volana, 3 tsinana |
| Partie du discours | 4 nom |
| Explications en français |
5 les premiers jours de la lune
6 croissant [1.3] |
| Exemples |
7 Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana
[2.996]
|
| Vocabulaire | 8 Astronomie |
| Entrée (2/3) | 9 volan-tsinana |
| Partie du discours | 10 nom |
| Explications en français |
11 demi-cercle
[1.3] |
| Vocabulaire | 12 Mathématiques: géométrie |
| Entrée (3/3) | 13 Volan-tsinana |
| Mots élémentaires | 14 volana, 15 tsinana |
| Partie du discours | 16 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 17 Littérature: poèmes |
| Auteur |
18 Razafintsalama Josefa |
| Texte complet |
19 20 Raha nisoka, natao tsy hiverina; 21 nony maty, natao tsy hiposaka, 22 kanjo io ihany io mitsingerina, 23 fa ny zava-malefa-pitosaka ; 24 fisehoany dia mihelontrelona , 25 fa mitsidi-mitranga milentika 26 ary impito no maty ka velona 27 fa tsy tena dia lasa mirendrika 28 iry volan-tsinana andrefana 29 mahalala fotoam-piherenana! 30 Samy faly no sady finaritra, 31 ka indreny miainga mirohotra 32 eo an-kianja hikorana maharitra 33 ireo maro kilonga isam-bohitra; 34 fa ny zaza kamboty, manjonitra, 35 mahatsiahy ilay kibo nitoerana 36 sy ny ray nanao sikim-ponitra , 37 faingy hani-mandalo miserana 38 toraka io volan-tsinana andrefana, 39 tsy mandika fotoam-piherenana. 40 Ireo hazo amoron'ny tevana 41 velon-tsento mangina tarafiny, 42 fa ny sainy he! mihevangevana 43 ka maniry azy io hotahafiny... 44 Dia voavetso ny ela nilaozana, 45 ka ny endrika, bika, nananana, 46 no tanian-kimpody , hiaranana 47 toraka io volan-tsinana andrefana 48 tsy mandiso fotoam-piherenana! |
| Anagrammes | volan-tsinana, Volan-tsinana |
| Mis à jour le 2026/05/10 |
|