|
|
|
|

Entrée1  Vavaka ho an' ilay mpandalo
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  3  vavaka, ilay, mpandalo
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Raharolahy Mamy
Editions  1960/01.
Texte complet 
7  Renin-jaza iny mihazakazaka iny, mitrotro zazakely. 8  Marary Ibeby kely, Ibeby tena tiany naman'ny Anjely! 9  Ny tebitebim-pony izany reko izany he mihasohaso 10  Mivavabavaka izy, sady mitomany mitelin-dranomaso. 11  Mitaraina Ibeby anaty lambany ao, mainka koa indreny 12  Mipatraka mijoy fa feno mitatao ny ranomason-dreny. 13  " Tompo, tahio iny renin-jaza iny, sombin'ainy koa; 14  Ny vavaka tononiny anaty fahoriany, henoy, ry Tompo soa! 15  Ianao no nanome ny zaza hifaliana ho kilalaon'ny reny. 16  Ianao no mahavonjy, lanao no iangaviana ra'marary ireny; 17  Tahio ny Dokotera izay halehany any hahita izay hatao, 18  Ianao no mpanazava ny saina ety an-tany k'aza dia mandao " . 19  Nony ampitso anefa, indrisy! fa iny ilay reny tazako nandalo 20  Mitafy sisika ila misaraka aman-teny, mimalo dia mimalo. 21  Ny sandriny ô! indrisy! tsy mitrotro intsony, fa iny eroa aloha 22  Lanjain'ny olon-droa ilay silaky ny fony mandry tsy hifoha. 23  Ry Tompo, Ianao no naka rahefa nanome iny zanak'olona iny! 24  Hankininy aminao ny fahoriany anie mba hisy hitsikiany!

Mis à jour le 2025/05/06