| Texte |
8 [CR] ...
9 [CR] Hariva manantena volana tamin'izay:[CR]maizina alohaloha ny toeran-drehetra.[CR]Manondro ny enina sy sasany ny famantaranandro lehibe mihantona eo amin'ny rindrina atsinanana.[CR]Indro miditra Andriamatoa Rabeza;[CR]tratra aoriana kely fa mbola naka ilay peratra volamena vao nampanaovina ny mpanefy.[CR]
10 [CR]Vao tonga Ndriamatoa dia velona ny kotabam-pifalian'ny vady aman-janany.[CR]Ramatoa Razay nandrehitra jiro haingana, fa maika hahita ity fihaingoana vao nampanaovina;[CR]ny ankizy kosa nifaliha-vanja eran'ny trano, ka nanantena ny hivimbinan-drainy zavatra, ka ny sasany mangarona ny paosiny, ny sasany misava ny tanany;[CR]kanjo nangaibay foana tsy nahita inoninona hatraiza hatraiza.[CR]
11 [CR]Ramatoa kosa dia afa-po, fa vita araka ny nitetehany azy ity firavaka sarobidy, hany ka mbola tsy foiny hampirimina akory, fa nomeny toerana manokana teo ambony latabatra, ka mbetika bikainy tazan-davitra;[CR]mbetika tomoriny dinihina hatramin'ny diam-pandraka madinika indrindra.[CR]Fa injao nikamikamina i Benja kely fa sady noana no nodonafan' ny hadisoam-panantenana;[CR]nefa ny hahamasahan'ny sakafo toa mbola ho elaela ihany.[CR]Notambatambazana, norahonana, nefa toa vao mainka mitomany ity zazakely roa taona sy tapany, tsy mahalala tsy misy.[CR]
12 [CR]Ny tompon'io trano nipetrahandry Rabeza io dia nitoetra tao amin'ny efitra atsinanana mifanolotra amin'ny azy ihany.[CR]Vehivavy mpitondratena efa mihodivitra ny dimy amby efapolo taona, Ramatoa Raseheno no anarany.[CR]Efa volana maro no niaraha-nitoetra ka tsy fifankazarana ihany no nisy tamin-dry zareo roa trano, fa fifankatiavana mafana koa.[CR]
13 [CR]Onena Ramatoa Raseheno nahare ny fitomanin'i Benja, fa fantany koa ny fototry ny ranomasopy.[CR]Efa voaloatra indrindra ny katsaka noharoana ronono tao aminy, ary te-hampanatitra ho an' ilaikely izy, nefa niahona indray satria isaky ny tolorany zava-pihinana ny zazakely dia tsy sahy mandray fa mamaly amim-pahatsorana hoe:[CR]" Talezan'Ineny laha mihinana zavatra avy aminareo! " Izany laingon-teny avy amin'ny vavan'ny tsy mba mahay ankinafinafina izany, dia ampy hamantaran-dRaseheno ny fototra mitranga lany sy ny faka miafina momba ny toe-tsain'ity renin'i Benja kely.[CR]Koa tamin'ity fotoana ity, na dia nametsovetso aza ny horakora-po araka ny maha-vehivavy azy, dia tsy sahiny mihitsy ny hanome fery anaty fo efa miahiahy azy![CR]
14 [CR]Fa injao mandroso mihamafy ny anjomaran'i Benja, sady mitaraina hanoanana ity voatavo tsy mifandraka.[CR]Tsy naharitra intsony Ramatoa Raseheno:[CR]" Aoka ny Avo Indrindra sy ny fihavanana no ho vavolombeloko, hoy izy, fa homeko azy ity katsaka iray lovia ity! "[CR]
15 [CR]Ny tenan-dRamatoa Raseheno mihitsy no tonga nanatitra ny zavatra.[CR]Nampandroso azy tsara Razay;[CR]nefa nony natolony ny lovia, dia tsy hay nafenina ny endri-dRamatoa kely mivaloarika.[CR]I Benja kely kosa dia tsy nahalala izay angesongeson-dresaka, fa avy hatrany dia notrotroiny ny lovia, ka velona ny haron-tanana eroa ambony latabatra.[CR]Samy eo amin'ny efitra iray eo amin'izany ny mpanome sy ny notolorana.[CR]
16 [CR]Nahatsiaro voky ilaikely, ka nody ho azy ny toeny falifaly sy mitrifantrifana.[CR]Sendra voatsipany re ny jiro, ka niongana.[CR]Soa ihany fa tsy vaky, fa maty fotsiny![CR]
17 [CR]Nikotaba ny tao an-trano, nitady ny afokasoka;[CR]nefa ny zavatra toy ireny, raha karohina amin'ny fotoana toy izao dia toa mahay miery ery! Ary loza inona, fa injao i Benja kely nihoakoaka sy toa nitsipatsipaka ao amin'ny maizina ao? Nifanaritaka ny olona eran'ny trano, ka nifampipoka be ihany ny loha, nifanitsaka ny tongotra.[CR]Ela mihitsy vao hita ilay afokasoka manadala! Ny zazakely mbola mihinjihinjy sy misanasana vava ary mivandraka ny masony [CR]
18 [CR] " Hanky va re, hoy Razay, tsy manaiky aho! Tena mpamosavy mandringa, ka ny eto akaiky no aripaka.[CR]Hahita vehivavy anio, fa ny zanako avy no anamparana ny haratsiana" ![CR]
19 [CR]Mba namitsoka araka izay afany koa Ramatoa Raseheno.[CR]Tsy ny hamonjena ity zazakely marary no ventin-kevitra, fa ny ady antsangan' izy roa vavy no nakotroka.[CR]Nde haka dokotera aza Rabeza, fa tsy navelan'ny vavy:[CR]" Efa hita fa mosavin' olona eo, ka dokoteram-patinao inona?...[CR]Rainilobo no alao, fa vao jereny fotsiny io dia samy miraraka ompana ny aretina sy ny mosavy?" Nody nanaiky hampiavy an-dRainilobo Rabeza, kanjo ny dokotera no nalainy.[CR]
20 [CR]Teo am-piandrasana teo dia nitombo koa ny fitanan-dRazay an-dRaseheno.[CR]Teo vao hitany fa nisy nandray ilay peratra volamena vaovao! Niantsambotra eran'ny trano izy, sady nihiaka hoe:[CR]" Odrey...[CR](mampalahelo fa nilaozan-dRazay lalan-kerinandro ny toetry ny vehivavy mihaja, fa ningoso izy teo), odrey...[CR]fa sady mafana tanana no faingan-tanana ikala...[CR]fa nohararaotiny ilay jiro maty teo hangalarana ny peratro! Maty aho zanako sy ny peratro " I[CR]
21 [CR]Valiny mangotrakotraka koa no azony, ary matoa tsy rafitra nifampitolona teo izy roa, dia tsy noho ny fitandroana haja velively, fa noho izy samy matahotra:[CR]Razay moa, natahotra ity lazondazony mafana tanana;[CR]Raseheno kosa nimalo tamin'ity Razay tanora sady vory nofo![CR]
22 [CR]Tonga ny Dokotera.[CR]" Tsy manaiky mihitsy aho, hoy Razay, fa tena mpamosavy azo olan-tanana tsotra izao, no sady mpangalatra papango tanana, manararaotra ny jiro sendra maty! Tsy manaiky aho! Tsy manaiky tokoa!" Tsy noraharahain'ilay dokotera[CR]ny fitarainany, fa ny marary no novonjeny.[CR]Navadibadiny teo:[CR]notsapainy ny kibony, nosafoiny ny vavany.[CR]Nony kelikely nandoa nibararaka ny zazakely.[CR]Niondrika nijery izay nivoaka avy any ny Dokotera, ka nihomehy ra, sady nanontany hoe:[CR]" Iza tokoa ianareo no nanome zavatra tsy fihinana ity zazakely ity? fa saiky loza raha tsy voavonjy " .[CR]
23 [CR]Hoatra ny hety rano no finantsanantsan-dRazay.[CR]" Tsy efa voalazako anao ve, fa ikala molo-mpamosavy resy io ihany! Hahita vehivavy ity anio" ! Sady nde horaotiny Ramatoa Raseheno fa nosakanan'ny olona.[CR]
24 [CR]" Iaraho mijery àry, hoy ny Dokotera, ity ody saika nanimba[CR]ny zariakareo !...[CR]Nihanahana Raseheno;[CR]nivandravandra Rabeza;[CR]nitanatana vava! Inona àry izao?[CR]
25 [CR]Notondroin'ny Dokotera ny tavy nisy ny loa.[CR]Indro ilay Peratra Volamena vaovao efa misolotiky ny loto! Hay tamin'ilay nahafatesan'ny jiro anikeheo no nandraisan'i Benja ny peratra, nataony am-bava, ka nikodia tany an-tendany nihorirana tao, tsy afa-nandroso, tsy afa-nihemotra.[CR]" Ny niteraka azy ihany no namosavy ny zaza, hoy ny Dokotera " ![CR]
26 [CR]Anjaran-dRaseheno kosa ny niventy ny "Tsy manaiky aho! Efa nitana ahy ho mpamosavy;[CR]efa nihazona ahy no mpangalatra, ka tsy manaiky aho raha tsy tonga any amin'ny fara fanaperana.[CR]Ary ho fanombohana ny kilalao, dia mialà[CR]miaraka amin'ny vava eto amin'ny tranon'ny mpamosavy sady mpangalatra" ![CR]
27 [CR]Nifompona, nandady tongotra aman-tanana Rabeza mivady fa tsy azo nahodina Ramatoa Raseheno.[CR]
28 [CR]Tsy dokoteran'aretina ihany anefa ilay lehilahy, fa dokoteram-pihavanana simba koa, ka nomeny ny fanafody:[CR]" Ela nisarebahana ny lambam-pihavanana Razay, ka izao vao vaky fa nikotrika ahiahy olona, ary na fitiavana mangarangarana toy itony aza dia voatombantombana ho famosaviana! Izay fatra-piahiahy mpamosavy, hoy ny Ntaolo, ka dia mpamosavy Razay! iray io![CR]
29 [CR] " Raseheno kosa, mendrika ny satro-boninahitry ny fitiavana tokoa;[CR]saingy nony sembana, tsy azo ifonana;[CR]nony tohina, tsy mety mamela heloka.[CR]Ny toy izany no voalazan'ny Razana hoe, to fo, ary ny fo to, hono, mpamosavy, Samy mpamosavy ianareo roa tonta, ka tsy manaiky aho" ! Niaraka nifampitopy ny maso rehetra tao an-trano, samy nitsiky ny molotra.[CR]Nifandray tampotampoka ny tanan'izy roa vavy, nifamihina.[CR]
30 [CR]Sitrana tamin'ny aretim-panahy Razay, ka niaiky fa ny ahiahy no tena mpamorika, mpamono mahafaty ny fifankatiavana![CR][CR]
31 [Akon' Iarivo, 1928/07/26][CR]
32 ...[CR]
|