|
|
|
|

Entrée1  Tsy hitony tsy akory
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  3  tsy, mitony, tsy akory
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Rabearivelo Jean-Joseph
Texte complet 
6  Na dia misy olon-tiana 7  Hanakely ny mahory, 8  Sy hitondra hafaliana - 9  Tsy hitony tsy akory !
10  Na dia misy anjely soa 11  Hanafoana sorisory, 12  Sy hamalifaly koa - 13  Tsy hitony tsy akory
14  Na dia manan-kery aza 15  Ny fitia mamorivory, 16  Dia sahiko ny milaza: 17  Tsy hitony tsy akory !
18  Tsy hitony tsy akory 19  Fa diso ny finoana 20  Ry raozy e, esory 21  Ny tsilo manoloana.
22  Tsy hitony tsy akory 23  F' efa diso fanantena ! 24  Ny foko avela hatory, 25  Hanadino e, ry sena !
26  Eny indrisy ! tsy hitony 27  Fara hery : manadino. 28  Fa ny tsy ho tia intsony 29  'Zany kosa, aza mino !

Mis à jour le 2025/07/29