|
|
|
|

Entrée1  Tsy embona
Mots élémentaires  2 tsy, 3 embona
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5  Littérature: poèmes
Auteur  6 Rabearivelo Jean-Joseph
Texte complet  7 
8  Tsy mba zavatra vao,
9  Fa tena fahita hatramin'ny ela
10  Ny tahaka izao:
11  Raha ritra ny rano, ny sisa tavela
12  Dia fotaka monja -
13  Dia fota-mandrevo nalamin'ny onja!

14  Ny hany fitana:
15  Ny onin'ny fiainana. Anefa ka foana.
16  Hany ka ana
17  Ilay fo manantena firavoravoana
18  Hatrany hatrany,
19  Ka heriny sisa, nisotro tomany!

20  Kanefa, hoy aho,
21  Tsy hoe ranomaso voalokon'ny kiry
22  Na ran'ny talaho
23  No tonga nameno impiry, impiry
24  Ilay fo nitadidy-
25  No tonga nameno kapoaka mangidy!

26  Fa hany nandoko,
27  Dia volon-davenona hilaza fa maty
28  Ilay afon'ny foko
29  Nitsilo ny lakana nita tanatin'
30  Ny fahatsiarovana
31  Efa lavo sy lanin'ny fotoam-pahalovana!

32  O! rivotra adala
33  No sendra nandalo nanao tora-javona!
34  Nony efa niala,
35  Tsy afa-nitondra afa-tsy hery sy avona...
36  Ka inona foana
37  No tonga nanairany fanadinoana?

38  Etsetra, etsetra...
39  Dia inty aho tody fitana hafa indray;
40  Ary tsy mba hitsetra
41  Raha sendra miverina ilay fiainana iray
42  Izay lasan'ny taona
43  Nitoeran'ny foko efa nanala saona!

44  Nikoro! Nifono
45  Lavenona manja ny andro fahiny!
46  Mivolon-dronono
47  Ny kaopy nasoloko iny kaopiko iny!
48  Ry fahatsiarovana,
49  Hianao efa lanin'ny fotoam-pahalovana!

50  Tena zavatra vao
51  Sy mbola tsy hita hatramin'ny ela
52  Ny torak'izao:
53  Ny rano efa ritra - tsy nisy tavela,
54  Na fotaka monja!
55  Nankaiza? Nankaiza? - Navalan'ny onja!

Mis à jour le 2025/11/17