|
|
|
|

Entrée1  Tanala very sampy
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  3  Tanala, very, sampy
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Rabearivelo Jean-Joseph
Texte complet 
6  Raha sendra misoka ny volana ambony, 7  Raha takona mantsy, ka tsy mba hita intsony, 8  Ankaratra misento, ka tsy mba mitony, 9  Andringitra no ho avy hanony ny fony.
10  Irony domohina raha toa saraka ala, 11  Indrisy! misento. Indrisy! fa adala? 12  Manembona hono, fa lavi-malala - 13  Hanova no sisa, fa sampin-tanala.
14  Avia, ry vorona? Avia mba mikalo! 15  Alaotra nilaozana, tomany mpandalo; 16  Very tsiriry ka indrisy? mimalo? - 17  Vonoiko ny sento, tsy ekeko hampivalo.
18  Ory manjavona - Ankaratra izany? 19  Onena misento - Ankaratra ihany 20  Ny tsy anilan-tiana no tena tomany - 21  Ny lehilahy kosa tsy lavon'izany.
22  Ora-midona no mety hampahatsiahy 23  Ozom-pitia mijoro hampanahy; 24  Toa aloka sisa, fa very fanahy? - 25  Tanala very sampy aho, ry lahy.
26  Samborina ve ny domohin'ny tena, 27  Samborina ho an-kafa, hanorisorena? 28  Indrisy! misento. Indrisy! mivena - 29  Izaho manan-kambo tsy resy resena.
30  Efa nisinda ilay kinta-nirina, 31  Efa niova fangirifiriana; 32  Orosan-tsy satry ny sento iniana? 33  Ovao ny famindra, ka 'ndeha miova tiana.

Mis à jour le 2025/07/29