|
|
|
|

Entrée1  Mpikororoka ampombo
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  3  mpikororoka, ampombo
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Rajaobelison Samuël
Texte complet 
6  Milina mpitoto injao migoboka ao, 7  Ampombo be miavosa an-tsisin'ny tamboho; 8  Indro vehivavy hatsatra sy lao 9  Mitondra am-babena zaza miamboho.
10  Rehefa feno ampombo ny gony kely nentiny, 11  Nataony an-doloha, ny masony efa lalina! 12  Hokororohina io sitrany hisy ventiny, 13  Na kely ihany aza hiantoka ny alina!
14  Etsy ambody hazo ny zaza mitomany, 15  Ditsoky ny ampombo ka mangarom-bava; 16  Hontsa ho'aho ilay reny raha mahita izany, 17  Ka mody velon-kira miantsa dridralava
18  Tapaka kapoaka!… lohavary mena! 19  Izay no kororoka namonoana ny andro! 20  Nitsangana Ingory hamonjy ny babena, 21  Dia lasa Ramatoa hanokona nahandro.

Mis à jour le 2025/05/06