Entrée mivadika (vadika)
Partie du discours verbe actif
Définition malgache Mampiseho ny ilany na ny lafiny tsy mbola niseho: Efa nivadika ve ireo lamba mihahy ireo
¶ Mifandiso ka ny lafy ratsiny indray no miseho fa tsy ny lafy tsarany: Loza fa nivadika ny akanjonao teny an-dalana
¶ Manova ny tehezana atao ambany mandry indray: Efa afa-mivadika ny marary
¶ Miova ho ratsy tsy araka ny nampoizina: Nivadika ny anao taty aoriana ka izaho nanao soc azy indray no nofofoiny. / Nivadika tampoka teo lahy ny andro
¶ Mitsipaka: Ny mivadika ny teny natao no anisan' ny ratsy indrindra
¶ Mihohoka ka ny ambony no lasa ambany: Nivadika ny lakana ka saika maty daholo ny mpandeha
Mitovy hevitra: malady ofana ~ manao tsimbadiboanampotsy ~ manao tsimbadik' amponga ~ mangala-belirano ~ miodina ~ miova fenitra ~ miroa lela ~ mitsoa-pahana ~ mitsoaka ny teny natao ~ mitsoaka orimbato ~ mivadibadika toa lela may [Rajemisa 1985]
Morphologie 
mivadika
nivadika
hivadika
mivadiha
Mots composés, titres, noms 
Citations 

2019/09/15