| Entrée | 1 manatitra | 
| Radical | 2 atitra | 
| Partie du discours | 3 verbe actif | 
| Explications en malgache | 4   Manolotra, manome zavatra ho an' olona: Nanatitra vorona ho an' i dadatoa izahay tamin' ny 26 Jiona Mitondra miverina, mamerina: Mahagaga ahy fa mbola tsy nanatitra ny volako izy hatramin' izao Miara-dalana amin' olona avy amin' ny toerana iray mankamin' ny toerana iray hafa mba hiaro na hanome voninahitra: Miaramila roa lahy no nanatitra anay Manao veloma mpandeha any amin' ny toerana iaingany: Nanatitra an-dry zoky teny amin' ny fiantsonan-dalamby izahay omaly maraina Miaraka amin' ny mpanambady ka mametraka azy any an-tranony: Olona betsaka no nanatitra ny mpanambady [1.1] | 
| Explications en anglais | 5   to present, to convey [1.2, 1.7] 6 to send, to return. [1.2] | 
| Explications en français | 7   présenter, apporter [1.3, 1.8] 8 offrir: Avy manatitra voaloboka ho anareo aho (Je viens vous offrir des raisins) conduire: Nanatitra ny vahiny tao an-tranom-bahiny izy (Il a conduit l'étranger à l'hôtel) escorter: Nisy miaramila nanatitra azy (Des soldats l'ont escorté) porter: Nanatitra entana tany Toamasina izy (Il a porté des paquets à Tamatave) rendre: Tsy mbola nanatitra ny bokiko izy (Il ne m'a pas encore rendu mon livre) [1.3] 9 offrir, livrer [1.8] | 
| Exemples | 10   manatitra ny nahandro, tompoko!
[2.69] 11 Alina iray no manatitra dia samy mody. [2.245] 12 Koa dia manatitra ho anao ny fanjakako aho, ho zanakao ho didianao. [2.508] 13 Ary manatitra anay hatreo Suez Mr Duffus fa sarotsarotra ihany ny fandehanana hatreo Suez. [2.366] | 
| Morphologie | 
 | 
| Tous les mots composés | 18 4 combinaisons de ce mot | 
| Proverbes | 19 Proverbes contenant ce mot | 
| Anagrammes | 20 manatitra, 21 manitatra, 22 mitantara, mitantarà | 
| Mis à jour le 2025/10/14 |   |