| Entrée | 1 manatitra |
| Radical | 2 atitra |
| Partie du discours | 3 verbe actif |
| Explications en malgache |
4 Manolotra, manome zavatra ho an' olona: Nanatitra vorona ho an' i dadatoa izahay tamin' ny 26 Jiona.
5 Mitondra miverina, mamerina: Mahagaga ahy fa mbola tsy nanatitra ny volako izy hatramin' izao. 6 Miara-dalana amin' olona avy amin' ny toerana iray mankamin' ny toerana iray hafa mba hiaro na hanome voninahitra: Miaramila roa lahy no nanatitra anay. 7 Manao veloma mpandeha any amin' ny toerana iaingany: Nanatitra an-dry zoky teny amin' ny fiantsonan-dalamby izahay omaly maraina. 8 Miaraka amin' ny mpanambady ka mametraka azy any an-tranony: Olona betsaka no nanatitra ny mpanambady. [1.1] |
| Explications en anglais |
9 to present, to convey.
[1.2, 1.7] 10 to send, to return.. [1.2] |
| Explications en français |
11 présenter, apporter.
[1.3, 1.8] 12 offrir: Avy manatitra voaloboka ho anareo aho (Je viens vous offrir des raisins). 13 conduire: Nanatitra ny vahiny tao an-tranom-bahiny izy (Il a conduit l'étranger à l'hôtel). 14 escorter: Nisy miaramila nanatitra azy (Des soldats l'ont escorté). 15 porter: Nanatitra entana tany Toamasina izy (Il a porté des paquets à Tamatave). 16 rendre: Tsy mbola nanatitra ny bokiko izy (Il ne m'a pas encore rendu mon livre). [1.3] 17 offrir, livrer. [1.8] |
| Exemples |
18 manatitra ny nahandro, tompoko!
[2.69]
19 Alina iray no manatitra dia samy mody. [2.245] 20 Koa dia manatitra ho anao ny fanjakako aho, ho zanakao ho didianao. [2.508] 21 Ary manatitra anay hatreo Suez Mr Duffus fa sarotsarotra ihany ny fandehanana hatreo Suez. [2.366] |
| Morphologie |
|
| Tous les mots composés | 26 4 combinaisons de ce mot |
| Proverbes | 27 Proverbes contenant ce mot |
| Anagrammes | 28 manatitra, 29 manitatra, 30 mitantarà, mitantara |
| Mis à jour le 2025/11/09 |
|