|
|
|
|

Entrée1  Madagasikara tanindrazanay
Mots élémentaires  2  Madagasikara, tanindrazana
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème)
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Explications en malgache  5  Hiran' ny MDRM, 1946. Tonony : Jacques Emma Rahamefy. Feony : Rahamefison [3.1]
Auteur  6  Tonony: Rahamefy Jacques Emma. Feony: Rahamefison
Tableaux et planches  7  Liste complète
Texte  8 

I
Madagasikara tanindrazanay!
Tany saro-bidy masina sy soa;
Lova soa navelan' ny razanay taloha;
Maty ho anao no tena lazanay.

II
Isika rehetra izao akanga miara-dia
Tsy azo tabaina na ravana koa;
Ka hitomban-dahy hiasa re satria
Io no loharano fototry ny soa.

III
Malagasy ô, andeha hifankatia;
Ho mpirahalahy tena iray tam-po;
Ny hifankahala hatao sanatria.
Ka iray tokoa ny saina sy ny fo.

Isan' andininy
Mitsangàna ry tanora !
Mitsangàna ka aza manana ahiahy;
Izao no andro sady ora,
Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.


Mis à jour le 2023/10/21