Entrée kohadavareny
Mots élémentaires kohaka ; lavareny
Partie du discours nom
Explications en malgache Aretin-kohaka mety hahavoa ny zaza eo amin' ny enim-bolana ka hatramin' ny dimy taona eo, ary mora fantarina amin' ny serisery, maso mitsiranondrano sy kohaka mateza amin' ny alina; tapabolana aorian' ny famantarana voalohany, dia miseho ilay feo "lavareny" toa misioka isaky ny mikohaka, avy amin' ny fisintonan' ny fiainana amin' ny faran' ny kohaka mafy mifampitohitohy; aretina faran' izay mora mifindra ny kohadavareny, irony antsoin' ny olona hoe manara-damba [1.1]
Explications en anglais Whooping cough [3.1]
Explications en français Coqueluche [1.54]
Exemples Roa herinandro aty aoriana dia manomboka ny kohadavareny. [2.424]
Vocabulaire 

Mis à jour le 2023/07/02