|
|
|
|

Entrée1  Ilay vavy antitra!
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  3  ilay, vavy, antitra
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Rakotoson Emeralda
Texte complet 
6  ... dia hitako izy irery 7  manjohizohy moana, 8  iny amoron-kady iny 9  ka manara-kodimirana 10  hatreny am-parataza-maso, 11  mihovitrovitry ny hatsiaka 12  efa lozan-tany ery, 13  izato nofo efa trotraky 14  ny vanin’andro niainany.
15  Hontsa azy aho, 16  ka nantsoiko 17  tam-panahiko:
18  Ndeha ho aiza izato ianao 19  hoy aho, sombintsombiny, 20  no mirezareza valaka 21  sy manjokozoko mora 22  amin-damba latsaka ila 23  ety an-tsisin-dalana, 24  ka miraoka ireto bozaka 25  ny loholambanao 26  izay efa rota nitafiana sy 27  natsifaky ny ela?
28  Natsikiny ahy ny masony 29  ao anaty very maso 30  efa vizaky ny hanina 31  ka nabanjiny ahy mangina 32  sy miresaka any anatiny 33  ka mitafa am-panahy 34  ao anaty velovelony!
35  Tsapako avy hatrany 36  fa hamonjy taninandro 37  etsy ambody goavy maina 38  fara taza-masoandro 39  mba hitafy ankilahila 40  ito nofo izay miketrona 41  feno sarisarim-piainana!
42  Nakimpiko ny masoko 43  nivetso an’eritreritra 44  ka namisavisa irery 45  ity sari-Nanahary 46  tsy ho vita hoso-doko 47  eny an-tanan’ny mpahay 48  raha tany koa ny tany.

Mis à jour le 2025/05/06