|
|
|
|

Entrée1  Ilay fasan-tsakaiza tiana
Mots élémentaires  2 ilay, 3 fasana, 4 sakaiza, 5 tiana
Partie du discours  6  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  7  Littérature: poèmes
Auteur  8 Ny Avana
Texte complet  9 
10  Hodidinin'alam-bero,
11  tsy an-tanin-tena akory;
12  ry mpandalo ! itsero
13  'ty zatovo mampahory!

14  Solon-dray mba manoloana,
15  solon-dreny mahazatra:
16  rafi-bato mikitoana ,
17  tany mena ambony tratra,

18  ranon'ando mangatsiaka,
19  danik'andro mahamay,
20  rivodrivo-mitsoriaka,
21  ary lolo miolomay !

22  Nefa kosa italanjony,
23  ry mpandalo, igagao:
24  ny anjely any ambony
25  tonga koa mitsidika ao!

Mis à jour le 2025/11/17