|
|
|
|

Entrée1  Hofa sandrin' ny lanitra
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  3  hofa, sandry, lanitra
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Rajaofera Fredy
Texte complet 
6  Ny vovoka, ahintsano. Akipaho ny nofo, 7  Avereno fa indrana, lamba mora miofo. 8  Inty ny akanjo fotsy. Ary inty ny kapa, 9  Avia, modia, ry oloko, midira aty an-dapa!
10  Ny tany nilasiana: tetezana mpamitaka, 11  Mampita fa mamefika . Loza mampibitaka . 12  Aty no azo antoka, tsy misy rebireby, 13  Avia modia, ry oloko, aza mba someby !
14  Zava-tsoan'ny tany, ankosotra mangirana, 15  Indray mitopy maso mandavo an-kodimirana, 16  Aty no tsy mba miova, aty no volamena, 17  Avia modia, ry oloko, tomoera ka monena!
18  Vokatra ao an-tsompitra, hasasara-maina, 19  Am-baravaram-pasana tsy mahatana ny aina; 20  Aty no fitoazana ..., fararano lava, 21  Avia modia, ry oloko, hijinja ny ambim-bava .
22  Ny zanakao afoizo. Ny vadinao ilaozy; 23  Aty andrasana izy, ny fiainanao havaozy. 24  Avelao ny havana voa lefona maranitra, 25  Avia modia, ry oloko, mila anao ny lanitra !
26  Ialao ny gidragidra , ny loza sy ny ankaso, 27  Aty ny Paradisa, tsy misy ranomaso, 28  Ho inonao ny tany, mpamingana mandady, 29  Avia modia, ry oloko, ry oloko afaka ady!
30  Faharesena an-tany no lalan-tora-tady 31  Diavin'ny mpandresy hamonjy lokan'ady , 32  An-koatry ny hita maso, hitohy ny voatahy: 33  Avia modia, ry oloko, an-dapan'ny Fanahy!

Mis à jour le 2025/05/06