|
|
|
|

Entrée1  Fiadanana hafahafa
Mots élémentaires  2 fiadanana, 3 hafahafa
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Explications en malgache  5 Any efitrano iray, mitokantokana irery Efitrano teritery toa tsy maha-te hijery Efitrano iray mangina, efitrano mahonena Nefa kosa efitrano tena fandinihan-tena   Misamonomonona ao, hirahira hafakely Ataon'ny voronkely maro, nefa kosa tsy tantely O! Ny fanaka tsy misy, toko roa no ijoroana Tena efitrano tsotra, eo an-dàlam-pandrosoana   Irony hanitry ny làsana? Ao no tena hiely fatratra Ny taolam-balon'ny fahiny, indreny hita hiampatrampatra Nefa, misikina hery, dia hidio ny varavarana Sao dia hisy any ho any, olona manarangarana   Eny an-tànanao tsinjovy,fa gazety no vimbinina Aforiporitra hafahafa, toa fiazina, fihinina Mba hamantaranao kokoa ny fiantombohan'ny tantara sy ny zavatra hatao, hatreo dia raiso ny sigara   Tsy maintsy miditra ao ianao, indray mandeha raha kely indrindra Amin'ny andro anankiray, amin'izay ianao mamindra Toy ny olo-maimaika te hahita fiadanana Fa ny toerana eo ivelany eo, tsy ho azonao ho namana   Satria handini-tena ianao, dia herezo re ny saina Izay mangejangeja anao, ô esory sombinaina Mivonona mba hiady; Ary aza mba mitsoaka, na ho basy no hitefoka, na tafondro no hipoaka   Miovaova ny eto an-tany, misy andro maha-mirana Fa ity indray mandeha ity, feno zava-manahirana Ary rehefa injay manery, ilay fotoana be ankaso Ireo tsy mahatanty "saoka" dia mandrotsa-dranomaso   Mm Injay misento tokana ianao, miheritreritra ny lasana Raha mijery ity efitrano toa mi-tokontanim-pasana Dia tsarovana avokoa izay rehetra niaremana Ny goavy sy sakay, eo vao samy hanenenana   Vita izay, ô tsaroana afaka entana ka faly Injay fa maivana ny tena, afaka ota, afa-jaly Ilay gazety, indro ariana, vita mantsy ny adidiny Ny fehikibo indro alaina, mba haverina amin'ny hidiny   Dimy minitra monja izay, nefa dimy minitra lafo Azoazo moramora tao ambanin'ity tafo Raha toa tsy fantatrao izay voalazako androany Rahampitso vao maraina dia ho fantatrao izany [2.978]
Auteur  6 Andriamanantena Georges

Mis à jour le 2025/12/08