| Explications en malgache | 4   Zavatra hay, fantatra: Olona be fahaizana, hono, iny tovolahy iny Fahalalana voafototra ary ara-tsaina mikasika zavatra iray: Ny fahaizana momba ny marika
 Fahafahana manao zavatra: Ny fahaizana mamaky teny sy manoratra
 Hakingana: Nampiseho fahaizana lehibe izy tamin' izany raharaha izany
 Fitambaran' ny fahalalana takatry ny sain' ny olombelona mikasika ny zavaboary, ny lalàna mifehy ny zavaboary, sns., izay hitan' ny olo-mahay ombieny ombieny, ka mahatonga ny fiainan' ny taranak' olombelona handroso hatrany: Na manao ahoana na manao ahoana, tsy hahafoana an' Andriamanitra akory ny fahaizana satria ny zavatra nataon' Andriamanitra ihany no dinihiny sy fakafakainy. [1.1]
 
 |