Entrée | 1 fadintseranana |
Mots élémentaires | 2 fady, seranana |
Partie du discours | 3 nom |
Explications en malgache |
4 [1.1][fadin-tseranana] haba aloa eo amin' ny seranana amin' ny entana midina eo 5 [1.1] Vola alaina amin' ny varotra atao amin' ny seranana na amin' ny zavatra mandalo eo aminy. (anarana nomen-dRadama rainy io, izay mifanaraka amin' ny fomban-tany efa nisy taloha ihany satria, fahiny, raha namono omby teo an-tokotanin' olona, ohatra, dia nomena ny tompon' ny tokotany ny fadiny) |
Explications en anglais |
6 [1.2][fadin-tseranana] Customs dues. |
Explications en français |
7 [3.1] la douane, les douanes |
Exemples |
8 Ary raha ny fadin-tseranantsika roa tonta hampitovina [2.366#206] 9 ny fadintseranana rehetra aloan' ny vahiny dia tsy aloa vola fa aloa basy sy vanja. [2.508] 10 |Fametrahana ny zo fampiharana ny fifanarahana ara-padintseranana amin' ny olon-kafa mpitazona ny entana mba hanerena azy ireo hanatanteraka [1.384] 11 koa izay nanaiky handoa: vola be indrindra, dia izy no notendrena ho mpamory ny hetra sy mpandray ny fadintseranana ambara-pahatapitr' izany taona izany. [1.38] 12 Asehon' ny fanadihadiana samihafa, natao vao haingana fa ny sehatra tena isian' ny fahalovana dia ny fiadidiana ny Fadintseranana, ny Fitsarana, ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena, ny Sampan-draharaha misahana ny fananan-tany – izay eo ambany fiandraiketan' ny Fanjakana mivantana avokoa. [4.27] |
Morphologie |
|
Article |
15 Randzavola: fadintseranana ao amin' ny Baiboly |
Mis à jour le 2023/06/19 |