|
|
|
|

Entrée (1/3)1  embona
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  fahatsiarovana amin' alahelo olona na zavatra (toy ny tanàna na tany) noho ny fitiavana: Anisan' ny fihetseham-po mamelovelo so am-pony embona ny tanindrazana [1.1]
Explications en anglais  4  sigh [1.209]
Explications en français  5  regret
6  soupir poussé en songeant à une personne ou à un objet chéri, absent ou perdu [1.3]
Exemples  7  Hita mifaritra mazava ny azy ny embona. [2.314]
8  Tsy tana ny embona : " Vitsika momba kitay, hoy Jean Narivony, ka manimanina ny any aminay! [2.356]
9  Izay no voalohany nandehanan' ny sainy tany amin' i Sahondra, dia ohatra ny nisy embona nifangaro hatezerana nibosesika tao am-pony. [2.529]
Vocabulaire  10  Emotions
Dérivés 
11  Verbes actifs :
12  Verbes passifs :
13  Verbes relatifs :
14  Noms :
Analogues  15  hanina
Titres  16  Embona (Razafindrafidy Bien-Aimé)
17  Tsy embona (Rabearivelo Jean-Joseph)

Entrée (2/3)18  embona
Partie du discours  19  nom
Explications en français  20  flotter [Tankarana] [1.19]
Dérivés 
21  Verbes actifs :
22  Verbes relatifs :

Entrée (3/3)23  Embona
Mots élémentaires  24  embona
Partie du discours  25  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  26  Littérature: poèmes
Auteur  27  Razafindrafidy Bien-Aimé
Texte complet 
28  Midona malefaka ery Ankaratra,
29  vaky tsipelana ny eny Anjafy.
30  Midona kanefa tsy fahavaratra,
31  fa erika kely no re mifafy.

32  Lanitra soa, tomarataratra,
33  otronin'ny rahona mitsitoko,
34  kanefa, ry lahy, iry Ankaratra
35  zary manjombona sy manjoko.

36  Ankaratra ô! nahoana kosa,
37  manembona ve ilay nisaraka,
38  ka ny tolokony miavosa
39  eo aminao no te-hiraraka?…

40  Raha manina izy ka mitomany,
41  lalim-pisento fa te-hiverina,
42  asaivo mitony hangina ihany
43  fa toraka izany'lay eto Imerina!

44  Ny sentom-pony raha tonga fatra
45  - ka indro mandrotika ny fanahy -
46  aoka hionona fa ny ratra
47  iombonako aminy lavitra ahy!

48  Tsy oram-baratra no midona, fa
49  fo feno hanina no miteny,
50  ka ny vetsom-panahiny kely foana
51  tsy sasa-mivezika sy manjeny.

52  Eny, ry rahona ery Ankaratra!
53  ry rahona fotsy iaraha-mijery,
54  meteza ianao mba ho fitaratra
55  hampita ny sarin'ilay miery.

56  Vaky tsipelana ve Anjafy
57  ka tsy hidoboka iry Ankaratra?
58  Raha izy misento ka mafimafy,
59  ny foko no toy ny latsaham-baratra!

Anagrammes  60  ambeno, ambone, añombe, bomena, embona, Embona, mañebo, naembo

Mis à jour le 2024/11/25