|
|
|
|

Entrée1  Dieny mbola velona aho
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  3  dieny, mbola, velona, aho
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Rakotomalala-Rabarijaona Louis
Texte complet 
6  Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko, 7  Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko: 8  Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako 9  Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.
10  Dieny mbola velona aho ka mijoro koa ny vatako, 11  Dia ity no foto-kevitra tsy maintsy hosoratako: 12  Gasikarako malala dia voasokitra ao anatiko, 13  Hatr'izay nisiako'zany ka ho mandra-pahafatiko.
14  Dieny mbola velona aho ka ny masoko mihiratra, 15  Dia iriko ny hanondrotra ny Gasy mba hamiratra, 16  Ary 'zao no ventin-kevitra sy voady tena mamiko: 17  Ny handray ny Malagasy mba hitovy hevitra amiko.
18  Dieny mbola velona aho ka milamina ny fiainako, 19  Dia i Madagasikara no ao anatin'ny fisainako: 20  Io 'lay Nosiko malala'zay akany nahafoizana, 21  Ka ny hampisondrotra azy no kendreko hotohizana.
22  Eny, maty aza aho ka hikatona ny fasako, 23  Moa tsy Madagasikara ve no tsangambato' asako ? 24  Dia i Madagasikara Nosy mamy fikirizana, 25  Ka tsy levona ao am-poko fa natao fitehirizana.
26  Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko, 27  Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko: 28  Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako 29  Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.

Mis à jour le 2025/07/29