| Explications en malgache |
3 masoandro, orana: Avy ñy andro.
[Bara]
[1.78]
4 Fotoana manelanelana ny misasak' alina anankiroa, na hoe adiny efatra amby roapolo: Nipetraka roapolo andro tany Antananarivo izahay.
5 Ny fotoana anazavan' ny masoandro ny tany, izany hoe ny fotoana manelanelana ny fipoirany sy ny filentehany, na hoe adiny roa ambin' ny folo (mifanohitra amin' ny alina): Fohy ny andro rehefa ririnina, fa ny alina kosa lava.
6 Taratry ny masoandro: Misakisaha fa tratran' ny andro ianao eo.
7 Fotoana nisehoan-java-dehibe, na nanjakana mpanjaka malaza iray: Amin' izao andron' ny baomba atomika izao ~ Efa nanomboka ny fandrosoana tamin' ny andron-dRadama rainy.
8 Ny fiainan' ny olombelona eto an-tany: Fohy ny andron' ny zanak' olombelona, hoy ny Soratra Masina.
9 Vintana: Ratsy andro, hono, itỳ zaza itỳ, araka ny filazan' ny mpanandro.
10 Toetran' ny habakabaka, ny rivotra, ny hafanana sy ny hatsiaka: Tsara ny andro androany fa manga ny lanitra ~ Mangatsiaka ny andro amin' ny ririnina.
11 Fotoana: Vary andro foana eto aho.
[1.1]
|