|
|
|
|

Entrée1  Andranobevava
Partie du discours  2  nom propre (toponyme)
Vocabulaire  3  Géographie: rivières, lacs
Explications en malgache  4  renirano eo afovoan' ny hetrina malalaka, anelanelan' ny rambon-tanin' Amboditsiry sy ny an' Analamahitsy, vakin' ny arabe mianavaratra (Antananarivo-Ambohimanga). Ny lohan' io renirano io dia any akaikin' Andraisoro, mandeha mianavaratra ny anankiray, ary ao Ambodiakondro, mandeha miankandrefana ny anankiray; mihaona eo akaikin' i Nanisana izy roa ireo, ary hatreo ka mandra-pidiny amin' ilay lahindrano eo atsimon' Ivandry, no iantsoana azy ho Andranobevava. -- Tany aloha, raha mbola tsy voaisy fefiloha ity renirano ity, dia nanafotra ny hetrina teo an-daniny roa ny tondraka amin' ny fahavaratra, ka manjary hoatra ny lehibe ny vava-rano; izany no nahatonga ny anarany ho Andranobevava. Ny nampahalaza azy indrindra anefa dia satria io no "rano" naha-avara-drano an' Avaradrano. [1.10#37.2]
Explications en français  5  limite sud du territoire d'Avaradrano [3.1]
Mots élémentaires  6  rano, be, vava
Tableaux et planches  7  Liste complète

Mis à jour le 2024/07/15