| Entrée | 1 Apokalypsy |
| Partie du discours | 2 nom propre (livre biblique) |
| Explications en malgache |
3 Ity no boky farany indrindra araka ny
4 filaharana ao amin' ny Testamenta Vaovao, ary noho 5 ny hasarotan' ny fanoharana maro ao aminy 6 dia efa nisehoan' ny adi-hevitra betsaka izy. 7 Ny hevitry ny teny hoe «Apokalypsy» 8 dia fanesorana ny fisalobonana izay manafina zavatra tsy ho hita miharihary. Nisy 9 boky maromaro nitondra izany anarana izany 10 fahizay, ka ny manazava ny zava-miafina 11 no nokendreny ; koa dia natao araka izany 12 ny toetran' ny teny sy ny hevitra ao anatiny. 13 Isan' ireo boky ireo ity. Fanaon' ny 14 Fiangonana Kristiana tamin' ny voalohany ny 15 manangona ny soratra avy tamin'ny Apostoly: 16 indraindray tantara izany; indraindray 17 hevi-pinoana ; indraindray fanambarana 18 sy faminaniana. Nohajainy fatratra 19 ireny ka nomeny anarana hoe Apokalypsy 20 noho ny toetrany. Toy izany, ny « Filazantsara 21 nosoratan' i Petera,» ny « Toritenin' i 22 Petera,» ny « Apokalypsin' i Petera,» ary 23 ny «Apokalypsin' i Paoly.» Ity farany ity 24 dia mihambo ho milaza ny zavatra hita sy 25 ren' i Paoly fony izy nakarina tany amin' ny 26 lanitra fahatelo (2 Kor. 12). Tsy misy azo 27 itokiana ho marina anefa ireny, afa-tsy ity 28 Fanambarana hitan' i Jaona ity ihany. Ary 29 na dia ity boky ity aza dia tsy neken' ny fiangonana 30 rehetra tamin' ny voalohany ho 31 isan' ny Kanonan' ny Soratra Masina. 32 33 Papias isan'ny Ray apostolika, izay teraka 34 tamin' ny taona 70 A.D., dia nahalala ity 35 boky ity ; ary tamin' ny siekla faharoa dia 36 boky fantatra tsara izy. Jostina Martiora 37 dia milaza azy ho nosoratan' i Jaona Apostoly ; 38 ary nisy maro hafa koa nandray sy 39 nampiasa ity boky ity, dia ry Melito tao 40 Sardisy, Polykrato tao Efesosy, Teofilo tao 41 Antioka, Klementa tao Aleksandria, ary 42 Origena. Ireo ny tany Atsinanana ; ary ny 43 tany Andrefana kosa dia ry Tertoliana, 44 Kypriana, ets., ary indrindra ilay sombin-taratasy 45 malaza rovidrovitra atao hoe « Ny 46 Sombin-taratasin' i Morotoriana ; » ireo rehetra 47 ireo dia samy manambara sy manamarina 48 azy ho isan' ny Kanonan' ny Soratra 49 Masina. [1.38] |
| Vocabulaire | 50 Ecritures Saintes |
| Synonymes | 51 fanambarana, fanambarana, fanambarana |
| Anagrammes | 52 Apokalipsy, 53 Apokalypsy |
| Mis à jour le 2025/11/13 |
|