| Entrée (1/2) | 1 Aleksandra |
| Partie du discours | 2 nom propre (anthroponyme) [Liste complète] |
| Explications en malgache |
3 Ny azo atao hoe: isan'ny mpitari-tafika ngeza indrindra sady mpanao
4 tetikady mahay indrindra teto an-tany. Teraka tamin'ny 356, maty tamin'ny 323 5 talohan'i J.K. tany Babilona [tohiny ambany] [1.10] |
| Exemples |
6 aleksandra mpanjaka, miarahaba an'i Jonatasa rahalahiny.
[2.996]
|
| Vocabulaire | 7 Histoire: personnages |
| Analogues | 8 aleksandria |
| Article | 9 Randzavola: Diksionera amin' ny Baiboly: Aleksandra |
| Texte |
10 [CR] [CR]Zanak'i Filipo II avy any Makedonia sy Olympias. Hita ho nandova ny[CR]fahambonian-tsaina avy tamin'ny rainy sy reniny. Hatramin'ny 345 dia ilay[CR]tena ngezalahy tamin'ny fahalalana, i Aristota, no nikarakara ny sainy,[CR]ka io no nampianatra azy ny karazam-pahalalana rehetra fantatry ny olona[CR]tamin'izay, indridra fa ny asan'i Homera.[CR]Ny fizarana manao raharaha samy hafa kosa dia nianarany tao an-dapan-drainy,[CR]izay nifaneraserany tamin'ireo manamboninahitra sy solontenam-pirenena[CR]samy hafa tonga teo. Nanjaka nandimby an-drainy izy nony maty novonoin'olona rainy[CR](336). -- Tamin'ny fivoriana tao Korinto (335) dia nekena ho jeneraliben'ny[CR]foloalindahy makedoniana rehetra izy.[CR] [CR]Nandresy ny Grika nikomy taminy izy, ary samy nampiasainy tamin'izany[CR]na ny hasiahana na ny halemen-panahy. Ny niantombohan'ny ady ngeza nataony[CR]an'i Azia Minora, nitondra miaramila an-tongotra 30.000 sy an-tsovaly 5.000. --[CR] [CR]Rahefa tonga tany Troade izy dia nanatitra fanatitra ho an'ny ambiroan'i[CR]Priam sy Achille (ireo mpiady malaza tantarain'i Homera), vao nandroso[CR]hatrany Granique ka nanotohoto ny voalohan-tafika persiana tao.[CR] [CR]Tonga tompon'i Azia Minora manontolo izy. Nihoatra ny tendrombohitra Taorosy izy,[CR]dia nijanona tao Tarsosy aloha, fa narary mafy. Rahefa nitsangana avy teo[CR]ny lehilahy dia nandroso nankany Kilikia ka nanorotoro ny tafik'i Dariosy [CR]teo an-tanilemak'Issos. Noreseny hatrany ny moron-tsirak'i Syria.[CR] [CR]Tany Foinikia, ny tanàna Tyro, teo amin'ny nosy kely mafy fiarovana,[CR]dia nataony fahirano 7 volana, sady nanaovany tetezam-bato mankeny aminy, [CR]vao azony.[CR] Farany, afany koa Jerosalema, dia nandroso nankany Ejipta izy;[CR]namakivaky ny efitr'i Libia, dia tonga teo am-bavan'ny ony Neily,[CR]ary nanorina ilay tanàna malaza nampitondrainy ny anarany hoe Aleksandria.[CR] [CR]Tamin'ny lohataonan'ny 331, rahefa nandresy ny moron-tsiraky ny fanjakana teo[CR]am-pelatànan'ny Persiana izy, dia niditra tao afovoan-tany.[CR] [CR]Nita ny ony Eofatra tao Tapsaque izy; nita koa ny ony Tigrisy, tao akaikin'ny [CR]sisa naharavan'ny tanàna Nivive, ary nifanehatra tao Gangamela[CR]tamin'ny tafi-baovao vao noforonin'i Dariosy indray.[CR]Nanaiky azy avokoa any tanàn-dehibe rehetra, toa an-dry Babilona,[CR]Sosana, Persepolisy, Ekbatana.[CR] [CR]Notanarahiny eran'i Media sy Baktriana i Dariosy, ka farany dia maty [CR]novonoin'olona. Izany no niafaran'ny fanjakam-be voalohan'ny Persiana.[CR]-- Nankany India koa Aleksandra. Izy no mpanjaka eoropeana tonga voalohany tany.[CR] [CR]Noho ny harerahana amin'ity ady sy dia lava tsy misy farany dia nitokona[CR]tsy nety mandeha intsony miaramilany, ka dia tsy maintsy nijanona izy![CR] [CR]Taorian'izany anefa dia mbola nikasa handeha hanafika ny Arabo indray izy,[CR]kanjo teo am-piomanana indrindra dia voan'ny tazo.[CR] [CR]Hafoloana taorian'ny niandohan'ny aretiny dia nampandalovina tsirairay[CR]teo anatrehany nanao veloma azy ny miaramila makedoniana, ary dia maty izy[CR]ny ampitson'iny (323) raha tovolahy vao 32 taona monja.[CR] [CR]Ny fikasan'i Aleksandra Lehibe.[CR]Rahefa dinihana fatratra ny tantarany dia misy zavatra toy izao hita[CR]taratra tamin'ny nataony:[CR](1) Nikendry hampiova ny fombam-piainan'ny firenena Tatsinanana ho tahaka ny[CR]an'ny Tandrefana izy. Izany noanton'ny nanorenany tanàna sy[CR]zanatany grika betsaka hatraiza hatraiza.[CR](2) Nitady hampifangaro ra ny Tatsinanana sy ny Tandrefana izy; koa ny tenany [CR]dia nanambady vehivavy Persiana vitsivitsy, ary ny miaramilany [CR](Grika, Makedoniana) marobe dia nampirisihiny na notereny hanao toy izany koa.[CR](3) Raha ny momba ny fitondram-panjakana kosa dia nataon'i Aleksandra fa[CR]ny an'ny Persiana no tsara kokoa, ka dia ny an'i Azia no narahiny noho[CR]ny an'i Eoropa.[CR] [CR]Ny toe-tsainy.[CR]Nahatalanjona ny herin-tsain'ity zatovolahy ity. Mendrika azy ny anarana[CR]hoe "Lehibe". Fatratra ny fahaizany hitondra tafika sy ny fahitany tetikady hatao.[CR]Nanana sitrapo henjana, mahay mampanaiky sy mampakato koa izy,[CR]na ny miaramilany na ny fahavalony. Mahaloa-bolana ny herimpony,[CR]fa izay rehetra nokasainy dia hainy notontosaina tanteraka sy haingana.[CR] [CR]Ny miaramilany dia natoky fa tsy misy tsy ho efany rahefa hataony.[CR](Mba lasa ho azy ao ny saina mahatsiaro (kely) an'i Lehidama).[CR] [CR]Ny toe-panahiny.[CR]Raha mijery ny toe-panahiny isika dia matroka izy; sady nanarampotamin'ny filan'ny [CR]nofo no nisotro toaka.[CR](1) Nihanasiaka izy nony nitombo hery: ny komandiny anankiray izay[CR]nanohitra azy dia notaritarihiny velona tao aorian'ny kalesiny[CR]mandra-pahapotipotiny; Philota, komandin'ny miaramilany an-tsoavaly dia [CR]nampijaliny sy novonoiny noho ny ahiahy fotsiny.[CR](2) Tonga nanandra-tena ho andriamanitra koa Aleksandra nony nisondrotra.[CR] [CR]Calisthêne, mpanoratra, olon-kendry grika, nony tsy nety nanaiky azy ho andriamanitra[CR]dia nody nolazainy hoe mitetika ka hikomy ka novonoiny.[CR] [CR]Tsy mba nanao tahaka andry Périclès sy Epaminonde, izay nitandrina[CR]tsara ny toe-panahiny sady nikely aina hanasoa olona nony tafasandratra, izy.[CR] [CR]Ary azo inoana fa: vokatry ny fitsiriritany tsy manam-pitsaharana, ny ran-olo-marina[CR]nalatsany, ary ny rehaka diso fampana, no nahafolaka andantony azy.[CR] |
| Entrée (2/2) | 11 Aleksandra |
| Partie du discours | 12 nom propre (biblique) [Liste complète] |
| Explications en anglais |
13 Alexander
[2.996] |
| Explications en français |
14 Alexandre
[2.996] |
| Vocabulaire | 15 Ecritures Saintes |
| Citations bibliques | 16 Chapitres et versets citant Aleksandra |
| Mis à jour le 2025/11/13 |
|