|
|
|
|

Entrée hetra-
Partie du discours forme morphologique de hetrana

Entrée hetra
Partie du discours nom
Explications en malgache (taloha) Velaran-tany nomen' Andrianampoinimerina ny fianakaviana tsirairay avy izay nahavoka-bary nivelomany nandritra ny herintaona (eo amin' ny roapolo vary eo ho eo, na 240 dcl); io vary azo tamin' ny hetra io dia nakana am-pahany ho an' ny mpanjaka (inenin' ny vata) ka avy amin' izany kosa indray no nampiova ny hevitry ny teny hoe hetra taty aoriana
(ankehitriny) Vola aloa amin' ny fanjakana maha-olom-panjakana ny tena, ka misy atao hoe hetra isandahy (vola aloan' ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona izay efa nofoanana ankehitriny), ary ny hetrantrano, tany, omby...; izany hoe vola tsy maintsy aloa isan-taona amin' ny harena ananana [1.1]
Explications en anglais Taxes [1.7]
Explications en français Impôt, taxe [1.8, 1.5]
 Redevance [1.5]
Vocabulaire 
Exemples 
1Azo anaovana fitakiana aty aoriana ny mpandoa hetra nanadino nanambara ny hetra izay zakainy, na nanao hosoka tamin' ny sara tsy hita fototra. [4.27]
2Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17, dia dia efa nampanaiky an' Antsihanaka Andriamandisoarivo, Mpanjakan' i Boina ka nampandoa hetra azy. [2.508]
Morphologie 
Simple : hetra, he-, hetran-, hetran'
Préfixée : -ketra, -ke-, -ketran-, -ketran'
Article 

Entrée hetra
Partie du discours nom
Explications en malgache Anarana hafa ilazana ny fehikibo. [1.1]
Explications en français Ceinture [1.5]
Synonymes fehikibo ~ fehinkibo

Entrée hetra
Partie du discours adverbe [Liste complète]
Explications en français  [Tankarana] Depuis que. § hàtra. [1.19]
Synonymes faitra

Mis à jour le 2025/01/31