Entrée |
antsojay
(tsojay)
|
Partie du discours | adverbe
|
Explications en malgache | [M. Richardson manao ny fototeny nihaviany ho soja; M. Malzac kosa mihevitra izany ho tsojay; M. Callet indray manao izany ho tsoja; ny hevitry ny teny anefa dia iraisany ihany] amin' ny fikendrena hanararaotra faingana ny fotoana sy ny toe-javatra mety indrindra hamelezana na hanaovana; antsontsany [1.10]
|
| [ an-tsojay ] Amin-kalozana mihoa-pampana [1.1]
|
| Fanararaotana ny fahadisoana kely mba hamelezana [1.1]
|
| Fanararaotana ny fahadisoana kely ataon' ny hafa, iniana, na tsia, mba hanararaotana sy hamelezana azy: Tsy mba manao antsojay akory ny mpanabe, fa ny hanasoa mandrakariva ny ankizy no tokony hokendreny [1.65]
|
Explications en français | Avec une sévérité outrée [1.3]
|
Exemples |
1 | Tsy izany ihany, fa anaovana antsojay ny fananan'ny Fiangonana tamin'ny fakàna an-keriny ny fitaovan'ny FJKM teny Alarobia
[4.12]
|
2 | Tsy mba nomena ny toerana tokony hisy azy ny Indostria Malagasy fa toa an-jorombala lava, ampian’ny fingampingana samihafa sy ny antsojay eny rehetra eny.
[4.39]
|
3 | Mitady hiseho lany ao amin'ny tsenan'i Soamanatombo ny antsonjay atao amin' ny mpivarotra
[4.7]
|
|
Autres orthographes |
|