Entrée Barsabasy
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache Joda Barsabasy. Isan' ny olona nanan-kaja teo amin'ny Fiangonana tao Jerosalema izy (Asa 15. 22), ary mpaminany koa (and. 32). Izy sy Silasy no notendrena hiaraka tamin' i Paoly sy Barnabasy hitondra ny taratasy avy tamin' ny konsilia tany Jerosalema ho any amin' ny Fiangonana tao Antiokia, ete, hampahafantarana ny Jentilisa, izay efa tonga Kristiana, ny zavatra tokony hotandremany. Ary tsy dia nitondra ny taratasy fotsiny ihany izy, fa «namporisika ny rahalahy tamin' ny teny maro koa, ka nampahery azy » (and. 32). Rehefa nitoetra teo elaela ihany izy, dia «nampandehanin' ny rahalahy soa aman-tsara », ka dia nody. Araka ny hevitry ny sasany, io Joda Barsabasy io dia rahalahin' i Josefa Barsabasy voalaza eo amin' ny Asa 1. 23, nefa tsy fantatra marina izany. [1.38]
Explications en anglais Judas Barsabas [2.996]
Explications en français Jude Barsabbas [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Barsabasy
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache Josefa Barsabasy. Natao hoe Josto koa izy; ary anankiray tamin' ireo roa lahy nanaovan'ny Apostoly filokana hahafantarany izay tokony ho dimbin' i Jodasy Iskariota (Asa 1.23-25). Izany no ahafantarantsika fa mpianatr' i Jesosy izy hatramin' ny nanaovan' i Jaona batisa Azy ka hatramin' ny niakarany ho any an-danitra, (and. 21, 22). Misy milaza fa isan'ny mpianatra fito-polo lahy izy ; ary misy koa mihevitra fa izy sy Jodasy Barsabasy dia mpirahalahy. [1.38]
Explications en anglais Joseph called Barsabas who was surnamed Justus [2.996]
Explications en français Joseph Barsabbas [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Mis à jour le 2020/07/31