Entrée Ampamoizamaso
Partie du discours nom propre (titre de poème) [liste complète]
Auteur Narivony Jean
Texte 
Tsy mba afaka ao an-tsaiko ilay havoana,
'Lay fihoarana, 'lay tany fisentoana:
Eo no fara fitsinjovana an' Iarivo,
Eo ny dobon-dranomaso dia marivo!

Eo ny fo mitebitebin'alahelo;
Ny eritreritra mandeha mamelovelo;
Eo ny sento dia miloatra ka tsy tana
Rah' mitazana ny tany nialana!

Eny am-paravodilanitra eny, indro
Toa havoana rakotra ala mikirindro;
Elo rahona no eny mitatao,
Mahamalomaloka azy toy izao!

Mitampody indray ny lasa fa tsaroana,
Ka ny havana toa hita manoloana;
'Ndray miserana eo izany toa ankaso
'Zay mitranga hampirotsa-dranomaso!

Vetivety dia atao ny fara jery,
'Zay ny fara topy maso hany hery;
Kanjo safotra izy mantsy ka mijoy,
Fa " hilaozana tokoa ilay tsy foy ".

Ô! ry vohitro malala, ry akany,
E! mamoy anao ny maso ka tomany,
Fa ny foko raha sarahina handao,
Dia vao mainka koa mifatotra aminao!
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres

Mis à jour le 2023/04/02