|
|
|
|

Entrée1  tsindrimpeo
Mots élémentaires  2  tsindry, 3  feo
Partie du discours  4  nom
Explications en malgache  5  Fanindriana ny feo manokana eo am-panononana teny iray: lavitra. Misy efatra ny fiantsoana ny tsindrimpeo: renitsindrimpeo (tsindrimpeon' ilay reny teny farany: ankizy kely maro); zanatsindrimpeo: ireo tsindrimpeo hafa; tsindrimpeo fototra (tsindrimpeompototeny: levona); tsindrimpeo am-panovanana na nikisaka: levonina [1.1]
6  Amin' ny teny malagasy rehetra misy vaninteny mihoatra ny tokana, dia misy vaninteny iray izay tsindrian' ny feo mafimafy kokoa eo am-panononana, ka io io no atao hoe vaninteny misy ny tsindrimpeo. Ohatra: mipetraka, rehetra, akany.
Saiky mandrakariva, amin' ny vaninteny voalohany ihany no misy ny tsidrimpeo amin' ny teny roa sy telo vaninteny. Ohatra: rindrina, fototra, trano, tafo.
Raha misy teny roa mitovy fanoratra kanefa samy hafa ny vaninteny misy ny tsindrimpeo ao aminy avy, dia asiana ny mari-tsindrimpeo (
) ilay tsy manara-dalàna. Ohatra: tanana (manara-dalàna io araka ny voalaza etsy ambony) ; tana (tsy manara-dalàna kosa io). [1.146#18]
Explications en français  7  accent d'intensité, accent tonique [1.13]
Tous les mots composés 
Vocabulaire  12  Linguistique

Mis à jour le 2025/09/12