|
|
|
|

Entrée1  Tonon-taona mampanembona
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4 Dox
Texte complet  5 
6  Mihamandao, mihamisinda, ho dify izao ny fahavaratra...
7  Efa manga tolakandro ny lanitra tsindraindray,
8  Ary misy mahalankalana ny takariva soa tomaratra,
9  Ny alina tomefy kintana, ngaly, tony fehizay.

10  Efa isaina koa izany hanenoana kotro-baratra,
11  Tsy hita intsony ny eton-draratra mpambombambomba alahelo;
12  Ny sori-dalan'ny masoandro mihilana mianavaratra;
13  Efa mihamangoratsaka ny tara-bolana manelo

14  Tsy tsiaro loatra intsony ny evoky ny hafanana.
15  Akaiky dia ho vony vary, manatona ny fijinjana
16  Ka mihorakoraka eny ry zareo mpiandry fody.

17  Tonon-taona mampanembona ny ambanivohitry ny tena!
18  Mahatsiaro ery ny fo… ny an-kafa no jerena
19  Irery aty an-tanin'olona, manimanina te-hody.

Mis à jour le 2025/11/17