Entrée Tia izay tia
Partie du discours nom propre (titre de poème) [liste complète]
Auteur Tselatra (Rajonah), selatra+selatra
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres
Texte - Izaho saonjo ery an-dohasaha, ianao tatamo ery an-kamory: mihefa ny eny mba mihefa aho, tony ny eny mba tony aho. Tsy fitia latsaka ny anay ka hanambatambazana mpitsimpona; tsy tanora diso zara ka hanohina maso-mpijery. Fa zaza mitovy tsy mifandranga trano iray lenta tsy mifaniva; tia ny any miara-tia, tsy tia ny any miara-mianjona.

- Ny fitiavana, rahavako, tsy tsipy rano miamboho ka ifanadidiavana; tsy lahi-mizana ratsy tefy ka hitongilana hiletsy ila; fa tia aho matoa manoloana, vonona aho matoa sahy lanja. Ratany: Raha hiringiringy ho tendrombohitra anefa ianao, dia hamitsaka aho fa iva; ratany: ratanyraha hitsoroadroaka ho hazo avo ianao, hikainkona aho fa fohy sandry. Fa ratany: ratanyraha mba hanao fitia mifandefitra, dia tsy aiza aho fa fandrotrarana misafosafo amin'ny tany; ratany: ratanyraha dobo mora tsobohina, dia fandiorano tsy mahafoy tany hita aho ka hilentika aminao fe ritra.


Mis à jour le 2023/04/02