Entrée Tenin-dRazako
Partie du discours nom propre (titre de poème) [liste complète]
Auteur Randria Samuel
Texte 
Teny
Nianarako nibada
Nianarako ny " Dada "
Nahaizako ny " Neny " .
Teny
Namorona ny hevitro
Sy ny eritreritro.
Eny,
Teny
Nilazako
Ny feon'ny fon'ny hazazako
Te-hahay
' Lay teninay.

Tamin'izany, hasambarako
Ny tenin-drazako.

Dia nitombo teny ny fahaizako,
Haiko ny niteny toy ireo mpitaizako,
Nahazatra, tena vantana amiko
'Lay teny gasy, tena mamiko.
Nitombo ny fisainako
Fa namboarin'ny fiainako;
Dia tazako
Ny fahalehibeazako...
Dia ny fahombiazako.
Ka' lay tenin-drazako
Efa fahazarako
Tato am-poko mitambolona
Natakaloko ny an'olona,
Navelako,
Fa nivadika ny lelako.
Tsy afeniko
Fa'lay tenin-drazako,'lay teniko,
Asa lahy!
Tonga nahamenatra ahy.
Tsy antonina ny lazako
Ny tenin-drazako
Ka nafoiko,
Fa ny tsy ahy no hamboiko.
Dia hoy aho:
" Teny maty,
" Tsy mahalaza ny ao anaty,
" Teny ambany
" 'Zany teny malagasy izany " .
Nefa ahy, tena ahi...ko
Toy ny nofo sy fanahiko.
…...
Moa rehefa ambony, ka azo izay nirina,
Dia ny an'ny tena no tsy tiana sy ariana?
Tsia dia tsia,
Sanatria!
Ry Tenin-drazako ry Teniko,
Neniko e ka neniko
Ny nanambany anao.
Ary izao,
Hoy ny vavaka miloatra avy ato anatiko
Ho ato anatiko ary mandra-pahafatiko:
" Tompo ô! tapaho re ny lelako,
" Raha ny Tenin-drazako no havelako.
" Eny, foano ny ho aviko,
" Raha'ty Teny taminao no tsy hotiaviko " !
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres

Mis à jour le 2023/04/02