|
|
|
|

Entrée1  Tenin-dRazako
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Randria Samuël
Texte complet 
5  Teny 6  Nianarako nibada 7  Nianarako ny " Dada " 8  Nahaizako ny " Neny " . 9  Teny 10  Namorona ny hevitro 11  Sy ny eritreritro. 12  Eny, 13  Teny 14  Nilazako 15  Ny feon'ny fon'ny hazazako 16  Te-hahay 17  ' Lay teninay.
18  Tamin'izany, hasambarako 19  Ny tenin-drazako.
20  Dia nitombo teny ny fahaizako, 21  Haiko ny niteny toy ireo mpitaizako, 22  Nahazatra, tena vantana amiko 23  'Lay teny gasy, tena mamiko. 24  Nitombo ny fisainako 25  Fa namboarin'ny fiainako; 26  Dia tazako 27  Ny fahalehibeazako... 28  Dia ny fahombiazako. 29  Ka' lay tenin-drazako 30  Efa fahazarako 31  Tato am-poko mitambolona 32  Natakaloko ny an'olona, 33  Navelako, 34  Fa nivadika ny lelako. 35  Tsy afeniko 36  Fa'lay tenin-drazako,'lay teniko, 37  Asa lahy! 38  Tonga nahamenatra ahy. 39  Tsy antonina ny lazako 40  Ny tenin-drazako 41  Ka nafoiko, 42  Fa ny tsy ahy no hamboiko. 43  Dia hoy aho: 44  " Teny maty, 45  " Tsy mahalaza ny ao anaty, 46  " Teny ambany 47  " 'Zany teny malagasy izany " . 48  Nefa ahy, tena ahi...ko 49  Toy ny nofo sy fanahiko. 50  …... 51  Moa rehefa ambony, ka azo izay nirina, 52  Dia ny an'ny tena no tsy tiana sy ariana? 53  Tsia dia tsia, 54  Sanatria! 55  Ry Tenin-drazako ry Teniko, 56  Neniko e ka neniko 57  Ny nanambany anao. 58  Ary izao, 59  Hoy ny vavaka miloatra avy ato anatiko 60  Ho ato anatiko ary mandra-pahafatiko: 61  " Tompo ô! tapaho re ny lelako, 62  " Raha ny Tenin-drazako no havelako. 63  " Eny, foano ny ho aviko, 64  " Raha'ty Teny taminao no tsy hotiaviko " !

Mis à jour le 2025/05/06