| Entrée | 1 Ry fahafahana |
| Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
| Auteur |
4 Andriamanantena Georges |
| Texte complet |
5 6 Matokia, ry Fahafahana, 7 rahavavim-pivavahana! 8 Fa tsy ho moana 9 na ho foana 10 ao anatiko ao 11 ianao. 12 Holalaiko 13 sy hohajaiko 14 ka harovako 15 io ho lovako. 16 Fa raha ny peniko no halaina 17 an-tenin'aina, 18 ka didiana 19 sy tsindriana 20 tsy hanoratra anao, 21 d'henoy izao: 22 Io ny molotro 23 atolotro 24 hivazavaza 25 sy hanazava, 26 ka hiteny 27 ombieny ombieny 28 ny hasarobidinao 29 sy ny anara-masinao... 30 ka matokia 31 doria doria! 32 Fa na rahonana aho na tairina 33 ka ny molotro hozairina 34 raha miteny 35 anao ka reny, 36 lazaiko anao 37 fa mbola hanao, 38 hanaram-po 39 tokoa tokoa 40 ny hohon-tanako 41 an-kavanako, 42 hivikiviky 43 ka hikiky 44 rindrin-tany 45 sy handrin-tany, 46 vatan-kazo 47 sy izay azo 48 ametahana 49 ny Anaranao, ry Fahafahana! 50 Na ho penina hodorana, 51 na ho molotra hofatorana, 52 na ho tanana 53 hokantsanana... 54 tsy hampaninona 55 to'inona! 56 'Ngaha d'izany 57 monja ihany 58 no ahazoako manambara 59 anao hijoro hatrany am-para? 60 Ao ny masoko mijery 61 afaka hamindra hery. 62 Ao ny saiko, 63 ao ny aiko. 64 ao ny zanako, 65 taranako, 66 mbola hiady 67 sy hitady 68 ka hivonona hifandramatra 69 hibaiko izao tontolo izao. 70 Ka noho ianao 71 ny herim-ponja 72 dia ho " monja ", 73 ny letrezana 74 hihomehezana 75 satria tsy maintsy ampanjakaina 76 hatramin'ny fara fofon'aina 77 ny Herinao, ry Fahafahana! |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|