Entrée rapeto
Partie du discours nom
Explications en malgache Olona lava be [1.1]
Explications en anglais Long, tall. [1.2]
 A very tall person [1.7]
Explications en français Personne très grande [1.8]

Entrée Rapeto
Partie du discours nom proverbial [liste complète]
Explications en malgache Anaran' olo-malaza tamin' ny angano noho ny halavany [1.1]
 Rapeto, hono, dia Vazimba talohan' izany Andriamanelo, mpanjaka tatý fony fahagola. Teo Ambohidrapeto andrefan' Antananarivo, no vohitra nitoerany. Lavabe nahatakatra ny lanitra izy. Tany anaty ala atsinanana no nandrahoiny ny variny, nefa tany Ambohidrapeto no nihinanany azy. Tany Ambohitrarahaba, avaratr' Antananarivo, no filalaovany, ka nataony indray mandingana ihany hatreny Ambohidrapeto ka hatreny Ambohitrarahaba. Izy no nanao ny tsentsin-drano vato vaventibe ao am-bodin' Itasy, ka namboariny ho farihy lehibe, hisotroan' ny ombin-dRasoalao vadiny. Ilay vato loaka tahaka ny dian-tongotr' olona ao an-dalamben' Ambohitrarahaba dia nohitsahin' ny faladiany sy niankinan' ny ranjony, hono, hampisehoany ny heriny. Ary ny loadoaka eny amin' ny vatolampy maro dia lazaina hoe diany avokoa. Indray mandeha izay dia nanampatra ny heriny loatra izy ka naka ny volana holalaovin' ny zanany ; kanjo nasian' ny volana diamanga izy ka dangy nitsitra terý. Lazain' ny sasany kosa anefa fa nankany atsinanan' Amorokay izy, ka tany no nahafatesany. [2.69]
Explications en anglais A legendary giant long, tall [1.2]
 A legendary giant [1.7]
Explications en français Géant légendaire [1.8]
Exemples Ary Ambohidrapeto natao Am-bohi-dRapeto: eo ny tamboho ny Rapeto rahateo [2.48]
Vocabulaire 
Mots composés 
Toponymes 
Illustrations 

Anagrammes 

Mis à jour le 2020/07/31