|
|
|
|

Entrée1  Ny Salamoko
Mots élémentaires  2 salamo
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5 Andriamanjato Richard
Editions  1950.
Texte complet  7 
8  Raha manadino anao ry Gasikara tanindrazako
9  Izany nofoko tanora sy ny foko valabalaka,
10  Aoka ny efako rehetra sy ny lasa namafazako
11  Hody aloka hitondra ho ao ampasana malalaka.

12  Ka ny lelako hiraikitra aminao ry lanilaniko,
13  Izany tànako an-kavanana hanadino, ka ny làlako
14  Hody haolo, feno dia, raha toa ka ny taniko
15  Tsy hahita izay famiratry ny jiron'ny fanalako.

16  Ho anao ry Tany mamy mahalala ny tantarako
17  No iriko hiasan'izay fihoitry ny finiavako,
18  Ho anao no niandohako, ho anao ny ora farako
19  Ho anao no hanakoan'izay ho akon'ny fitiavako.

20  Koa avaoziko eto indray izany fanoloran-tenako
21  Ka averiko ho tsaroana sy lazaiko mba ho fantatra :
22  Fa izaho (!) dia hanompo izany tany sy fonenako,
23  Ka ny Fireneko tiana no iriko mba ho sambatra !

24  Raha manadino anao ry Gasikara tanindrazako
25  Izany nofoko tanora sy ny foko zary valaka,
26  Aoka ny efako rehetra sy ny lasa namafazako
27  Hody aloka hitondra ho ao ampasana malalaka.

Mis à jour le 2025/11/17