| Entrée | 1 Ny Fanantenana |
| Mots élémentaires | 2 fanantenana |
| Partie du discours | 3 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
| Auteur |
5 Rajemisa-Raolison Régis |
| Texte complet |
6 7 Rah' misy mitady ny tena hafaliana 8 Tsy azon' ny ratsy akoro, ravana, 9 Dia tokana monja no azo valiana: 10 Ny FANANTENANA! 11 Ny Fanantenana no afon' ampombo 12 Midonaka lava ao anatin' ny fo; 13 Rah' sendra ny rivotra, mainka mitombo, 14 Vao mainka mitombo rah' misy manjo. 15 Ny Fanantenana no manampy antsika 16 Hizaka ny mafy tsy am-po mitoreo, 17 F' aorianan' ny orana, ny andro baliaka 18 Tsy maintsy ho tonga ka mbola hiseho. 19 Ny Fanantenana no soa sarobidy, 20 Satria tsy mba aiza fa ao anatin' ny tena: 21 Ny saina no amboarina asaina mifidy 22 Na hilofika hatrany na mbola hanantena! 23 Ny Fanantenana no maha-olona ahy; 24 Ny biby voafetran' ny eto sy anio, 25 Ny olona kosa mitsinjo, manahy: 26 Ny Fanantenana no mahatonga an' io. 27 Ny Fanantenana no' lay saro-bonoina 28 Misisika lava, tsy mino fa maty 29 Rah' tsy avy mandevina tsy manan-kantsoina: 30 Ny Fanantenana no kiry ao anaty! 31 Ny Fanantenana no mampisy vidiny 32 Ny fiainana etoana' zay fefik' indrisy: 33 Rah' toa tsisy setriny moa' zany ngidiny, 34 Tsy aleo ve tsy ary, aleo ho tsy nisy? 35 Ny Fanantenana no tanjon' ny fo 36 Mavesatra lava sy tra-pahoriana: 37 Na inona mantsy no loza manjo, 38 Ho avy ny andro tsy maintsy hodiana! 39 Ny Fanantenana no' lay varavarana 40 Vohaina tsy tapaka isan' andro hatrany, 41 Hiandrasana lava ny FAHASAMBARANA, 42 Sao dia mba tonga mitsidika ihany! 43 Rah' misy mitady ny tena hafaliana 44 Tsy azon' ny ratsy akoro, ravana, 45 Dia tokana monja no azo valiana: 46 Ny FANANTENANA! |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|